Malagasy God's Simple Plan

Ny Baiboly

Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin' Andriamanitra, Romana 3:23

Fa fahafatesana no tambin' ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin' Andriamanitra ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin' ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin' Andriamanitra; tsy avy amin' ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lioka 18:13

Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin' izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jaona 3:16-17

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan' ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany làlana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany. Korintiana Voalohany 10:13

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin' izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin' ny fitiavan' Andriamanitra izay ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 8:38-39

Fa Kristy no faran' ny lalàna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino. Romana 10:4

Fa hoy Izy: "Tamin' ny tanoa fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin' ny andro famonjena no namonjeko anao" (Isa. 49. 8); indro ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena; Korintiana Faharoa 6:2

Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin' i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay? Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin' ny anaran' i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; Asan' ny Apostoly 2:37-38

Ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an' Andriamanitra amin' ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. Efesiana 4:24

Araka ny voasoratra hoe: "Tsy misy marina na dia iray akory aza;" Romana 3:10

Kea izany dia tahaka ny nidiran' ny ota avy tamin' ny olona iray ho amin' izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran' ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; Romana 5:12

Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy tamin' ny fotoan' andro hamonjy ny ratsy fanahy. Romana 5:6

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Ary naseho tamin-kery ho Zanak' Andriamanitra araka ny fanahin' ny fahamasinana tamin' ny fitsanganana tamin' ny maty,--dia Jesosy Kristy Tompontsika, Romana 1:4

Ary fantatsika fa rehefa nitsangana tamin' ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy; tsy manan-kery aminy intsony ny fahfatesana. Romana 6:9

Satria raha manaiky an' i Jesosy ho Tompo amin' ny vavanao hianao ary mino amin' ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin' ny maty, dia hovonjena hianao. Romana 10:9

Fa "izay rehetra miantso ny anaran' ny Tompo no hovonjena" (Joe. 3. 5). Romana 10:13

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin' izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin' ny fitiavan' Andriamanitra izay ao amin' i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 8:38-39