/1 Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota 
isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
Ary talohan' ny andro firavoravoana tamin' ny Paska, satria fantatr' i Jesosy 
fa tonga ny fotoana hialany amin' izao tontolo izao ho any amin' ny Ray, ary 
efa tia ny Azy izay amin' izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin' ny 
farany.
Ary avy amin' i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin' ny maty 
ary Lehiben' ny mpanjaka amin' ny tany. Ho an' Izay tia antsika ka namaha 
antsika ho afaka amin' ny fahotantsika tamin' ny rany.
Fa toy no nitiavan' Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy 
Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Tany lavitra any no nisehoan' i Jehovah tamiko ka nanao hoe: fitiavana 
mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.

/2 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin' ny toe-panahy 
araka an' Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin' ny nofo, nohamarinina tao 
amin' ny Fanahy; hitan' ny anjely, notorina tany amin' ny jentilisa, ninoana 
teny amin' izao tontolo izao, nakarina tamin' ny voninahitra.
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola 
fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa 
ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? Tsy mino va hianao fa Izaho ao 
amin' ny Ray, ary ny Ray ato amiko?
Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain' ny Tompo 
ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny 
anarany hataon' ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika 
Andriamanitra.
Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin' Andriamanitra, ary ny Teny 
dia Andriamanitra.
Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; sady feno fahasoavana sy 
fahamarinana.

/3 Na iza na iza manaiky fa Zanak' Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy 
Andriamanitra, ary izy kosa ao amin' Andriamanitra.
Fa ao amin' ny tenany no itoeran' ny fahafenoan' ny fomban' Andriamanitra 
rehetra.
Ny handrosoan' ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanampahataperana eo 
amin' ny seza fiandrianan' Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy 
hampitoerana azy amin' ny rariny sy ny hitsiny hatramin' izao ka ho 
mandrakizay; ny fahasaro-piaron' i Jehovah, Tompon' ny maro, no hahatanteraka 
izany.
Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao 
aminao, ary hisy herin' ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay 
hateraka dia hatao hoe Zanak' Andriamanitra.
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, 
injao, nisy feo avy tao amin' ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay 
sitrako; Izy no henoy.

/4 Fa hoy Izy taminy: Hianareo avy aty ambany; Izaho avy any ambony; hianareo 
avy amin' izao tontolo izao; Izaho tsy mba avy amin' izao tontolo izao.
Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho 
no vavahadin' ondry.
Raha amin' izao tontolo izao Aho, dia fahazavan' izao tontolo izao.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon' aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, 
ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
Hianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo, fa 
izany tokoa Aho.
Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, 
dia Izy Aho.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na 
dia maty aza, dia ho velona indray.

/5 Dia nasainy nipetraka teny ambonin' ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny 
mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; 
ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra 
kosa nanolotra ho an' ny vahoaka. Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia 
voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona 
roa ambin' ny folo. Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afatsy ny 
zaza amimbehivavy.
Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelzanay 
aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako 
ihany ny harato. Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be 
izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amorondalana, ary nony reny fa 
Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindra fo aminary, ry 
Tompo, Zanak' i Davida o!
Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin' 
izay izy, dia nanaraka an' i Jesosy.

/6