Jôhany 1

Ilay Teny no aina sy fahazavana

1 Tamin'ny voalohany, fony nahary an'izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin'Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra. 2 Tamin'ny voalohany, dia nitodika tany amin'Andriamanitra ilay Teny; 3 Izy no naharian'Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna. 4 Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an'ny olombelona. 5 Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin'ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina. 6 Nisy lehilahy anankiray nirahin'Andriamanitra: i Jôhany no anarany. 7 Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain'i Jôhany no hampino ny olona rehetra. 8 Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana. 9 Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin'izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra. 10 Teo amin'izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an'izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy. 11 Tonga teo amin'ny taniny. Izy, fa tsy noraisin'ny mpiray firenena aminy. 12 Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak'Andriamanitra 13 izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban'olombelona miankina amin'ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban'Andriamanitra. 14 Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin'ny Ray ho an'ny Zanaka lahitokana. 15 Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe: –Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.» 16 Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra: 17 satria ny lalàna dia nomen'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy. 18 Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin'ny Ray, no efa nanambara Azy.

Ny hafatr'i Jôhany Mpanao batisa

19 Toy izao no fijoroan'i Jôhany ho vavolombelona. Nisy mpisorona sy levita nirahin'ny manampahefana jiosy avy any Jerosalema hankeo aminy, mba hanontany azy hoe: –Iza moa ianao? 20 Tsy nandà ny hamaly izy fa nilaza mazava hoe: –Tsy izaho no ilay Mesia! 21 Ary nanontany azy ry zareo hoe: –Ahoana àry? I Elià ve ianao? Dia novaliany hoe: –Tsy izy aho! Ka hoy ireo taminy: –Ilay Mpaminany ve ianao? Fa novaliany hoe: –Tsia! 22 Tamin'izay ry zareo dia niteny tamin'i Jôhany hoe: –Iza àry ianao, mba hitondranay valin-teny any amin'izay naniraka anay? Lazainao ho iza ny tenanao! 23 Dia hoy izy: –Izaho no «feon'olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: ahitsio ny lalan'ny Tompo», araka ny tenin'i Isaià mpaminanin'Andriamanitra. 24 Ary nisy avy amin'ny Farisianina ireto olona nirahina teo amin'i Jôhany, 25 ka nanontany azy hoe: –Nahoana àry ianao no manao batisa, raha toa tsy ianao no ilay Mesia na i Elià na ilay Mpaminany? 26 Ka novalian'i Jôhany hoe: –Ny ahy, ao amin'ny rano no anaovako batisa; fa eo anivonareo misy olona anankiray tsy fantatrareo, 27 dia Ilay tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho! 28 Izany zavatra izany dia niseho tany Betania, andafy atsinanan'ny ony Jôrdàna, teo amin'ny fanaovan'i Jôhany batisa.

I Jesoa no Zanakondrin'Andriamanitra

29 Nony ampitso, dia nahita an'i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan'izao tontolo izao! 30 Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: «Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.» 31 Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin'ny vahoaka Israely no nahatongavako hanao batisa ao amin'ny rano. 32 I Jôhany no vavolombelona nanambara hoe: –Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny. 33 Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa Andriamanitra, Izay naniraka ahy hanao batisa ao amin'ny rano, no nilaza tamiko hoe: «Ilay ho hitanao idinan'ny Fanahy Masina sy itoerany eo amboniny, dia Izy no Mpanao batisa ao amin'ny Fanahy Masina.» 34 Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.

Ireo mpianatr'i Jesoa voalohany

35 Ny ampitson'iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy; 36 ary nahatazana an'i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe: –Indro ny Zanakondrin'Andriamanitra! 37 Nandre an'i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an'i Jesoa. 38 Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe: –Inona no tadiavinareo izay? Ka novalian'izy roa lahy hoe: –Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra? 39 Dia hoy i Jesoa taminy: –Avia, fa ho hitanareo! Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran'i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin'io andro io. (Tokony ho tamin'ny efatra tolakandro tamin'izay). 40 I Andrea, rahalahin'i Simôna Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy nandre ny tenin'i Jôhany, ka nanaraka an'i Jesoa. 41 Ny nihaonan'i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe: –Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)! 42 Dia nentin'i Andrea nankany amin'i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: –Ianao no Simôna, zanakalahin'i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!

Antsoin'i Jesoa i Filipo sy i Natanaela

43 Ny ampitson'iny, dia niroso nankany amin'ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin'i Filipo Izy ary nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko! 44 I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera. 45 Tafahaona tamin'i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan'i Mosesy tao amin'ny bokin'ny Lalàna sy voalazan'ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak'i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.» 46 Ary hoy i Natanaela taminy: –Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta? Dia novalian'i Filipo hoe: –Ndao ianao hizaha! 47 Nahita an'i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an'i Natanaela: –Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka! 48 Dia hoy i Natanaela taminy: –Ahoana no ahafantaranao ahy? Ka novalian'i Jesoa hoe: –Talohan'ny niantsoan'i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao! 49 Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak'Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan'i Israely! 50 Ary novalian'i Jesoa hoe: –Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao! 51 Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin'ny anjelin'Andriamanitra miaka-midina eo ambonin'ny Zanak'olona!

Jôhany 2

Ny fampakaram-bady tao Kanà

1 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea; ary tao ny renin'i Jesoa. 2 Nasaina ho amin'io fampakaram-bady io koa i Jesoa mbamin'ny mpianany. 3 Ary satria efa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesoa taminy: –Tapitra ny divain-dry zareo! 4 Ary hoy i Jesoa tamin'ny reniny: –Ravehivavy, inona no tadiavinao amiko? Moa tsy efa tonga ve ny fotoanandroko? 5 Dia hoy ny renin'i Jesoa tamin'ireo mpanompo: –Na inona na inona lazainy aminareo dia ataovy! 6 Ary nisy siny vato enina nipetraka teo, ho fidiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. Samy nahalany zato litatra eo ho eo ny siny tsirairay avy. 7 Dia hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo: –Fenoy rano ireto siny ireto. Dia nofenoiny hatramin'ny molony. 8 Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpanompo: –Tovozy amin'izao ka ento any amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentin'ireo mpanompo. 9 Ary nanandrana ny rano nanjary divay ity mpandahatra ny fanasana, nefa tsy fantany izay niaviany (fa ireo mpanompo nanovo ny rano no nahafantatra). Dia niantso ny mpampakatra kosa ity mpandahatra ny fanasana 10 ka nilaza taminy hoe: –Ny an'ny olona rehetra dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa mamomamo ny nasaina, vao arosony izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara hatramin'izao! 11 Izany nataon'i Jesoa tao Kanà any Galilea izany no santatr'ireo famantarana narosony. Ary nasehon'i Jesoa ny voninahiny, ka nino Azy ny mpianany. 12 Taorian'izany, dia nidina nankany amin'ny tanàna Kafarnahòma2 .12 Jereo Mt 4 .13 . i Jesoa mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa andro vitsivitsy ihany no nitoeran'izy mianakavy tao.

Tandrovin'i Jesoa ny hajan'ny tempoly

13 Ary efa akaiky ny Paska fankalazàn'ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema i Jesoa. 14 Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ireo mpivarotra omby sy ondry amam-boromahailala ary koa ny mpanakalo vola izay nipetraka teo. 15 Dia nanao karavasy tamin'ny tady i Jesoa, ary nandroaka azy rehetra mbamin'ny ondry aman'omby hiala teo an-kianjan'ny tempoly; nararak'i Jesoa ny volan'ireo mpanakalo vola sady nazerany ny latabany; 16 ary hoy Izy tamin'ireo mpivarotra voromahailala: –Esory teo ireo, fa aza atao fivarotana ny tranon'ny Raiko. 17 Dia tsaroan'ny mpianatr'i Jesoa fa izao no efa voalazan'ny Soratra Masina: «Saro-piaro ny amin'ny tranonao aho, Andriamanitra ô, ka izany no haharîtra aina ahy!» 18 Tamin'izay dia niteny tamin'i Jesoa ny manampahefana jiosy nanao hoe: –Inona no famantarana asehonao aminay ho porofon'ny fahefana anaovanao an'izao? 19 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Ravao ity tempoly ity ary ao anatin'ny telo andro dia hajoroko indray! 20 Ka hoy ry zareo: –46 taona izao no nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao ve no hahatafajoro azy ao anatin'ny telo andro? 21 Ny tempoly nolazain'i Jesoa anefa dia ny tenany. 22 Koa rehefa nitsangana velona avy tany amin'ny maty i Jesoa, dia tsaroan'ny mpianany fa voalazany izany; ka ninoan'izy ireo ny Soratra Masina sy ny teny voalazan'i Jesoa.

Fantatr'i Jesoa hatramin'ny ao am-po tsy miloaka

23 Fony i Jesoa tao Jerosalema nandritra ny fankalazana ny Paska, dia maro no nino Azy raha nahita ny famantarana izay nataony. 24 Kanefa i Jesoa dia tsy natoky azy ireo, satria fantany avokoa izy rehetra 25 ary tsy nilainy hisy vavolombelona manambara Azy momba ny olona; fa Izy mihitsy no nahafantatra izay tao am-pon'ny olona.

Jôhany 3

Resak'i Jesoa amin'i Nikôdema

1 Nisy lehilahy anankiray atao hoe Nikôdema, anisan'ny antokom-pivavahana Farisianina ary manampahefana teo amin'ny Jiosy. 2 Nanatona an'i Jesoa izy indray alina ary niteny taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa Mpampianatra nirahin'Andriamanitra Ianao; satria tsy misy olona mahavita ireo famantarana ataonao ireo, raha tsy ombàn'Andriamanitra. 3 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn'Andriamanitra. 4 Dia hoy i Nikôdema taminy: –Hataon'ny olona ahoana no hateraka indray rehefa antitra? Moa afa-miverina any an-kibon-dreniny ve izy ka hateraka fanindroany? 5 Ka novalian'i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. 6 Izay ateraky ny olombelona, dia olombelona; izay ateraky ny Fanahy Masina, dia fanahy. 7 Aza gaga ianao raha nilazako hoe: «Tsy maintsy ateraka indray ianareo.» 8 Ny rivotra dia mitsoka amin'izay tiany, ary renao ny feony nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany: tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy Masina. 9 Dia niteny tamin'i Jesoa i Nikôdema nanao hoe: –Hatao ahoana no hahatonga izany? 10 Ka izao no navalin'i Jesoa azy: –Mpampianatra eto amin'i Israely ianao, ka tsy mahalala izany ve? 11 Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay ary izay hitanay no ijoroanay ho vavolombelona, nefa tsy raisinareo izany fijoroanay ho vavolombelona izany. 12 Raha nilaza taminareo ny zavatra etỳ an-tany Aho, dia tsy inoanareo; ka ahoana no hinoanareo Ahy, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho? 13 Ary tsy nisy niakatra any an-danitra afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak'olona. 14 Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny bibilava varahina tany an-taniefitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona 15 mba ho velona aina mandrakizay izay rehetra mino Azy. 16 Eny, notiavin'Andriamanitra fatratra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa ho velona aina mandrakizay. 17 Andriamanitra manko tsy naniraka ny Zanany ho eto amin'izao tontolo izao, mba hanameloka an'izao tontolo izao, fa mba hamonjy an'izao tontolo izao amin'ny alalany. 18 Izay mino ny Zanaka dia tsy helohina; fa izay tsy mino koa dia efa voaheloka rahateo, noho izy tsy nino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra. 19 Ary izao no anton'ny fanamelohana: efa tonga tamin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. 20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny fahazavana sady tsy manatona ny fahazavana, fandrao hita miharihary ny asa ratsiny. 21 Izay manao ny marina kosa dia manatona ny fahazavana, mba hiseho fa notontosaina araka an'Andriamanitra ny asany.

Ambaran'i Jôhany Mpanao batisa indray i Jesoa

22 Taorian'izany, dia nankany amin'ny faritany Jodea i Jesoa mbamin'ny mpianany; ary niara-nitoetra tamin'izy ireo tany Izy sady nanao batisa ny olona. 23 I Jôhany koa nanao batisa ny olona tao Enôna akaikin'i Salîma, fa be rano tao; nanatona an'i Jôhany ny olona ka nataony batisa 24 fa tsy mbola naiditra am-ponja izy. 25 Tamin'izay dia nisy fifandiran'ny mpianatr'i Jôhany tamina Jiosy anankiray ny amin'ny fomba fidiovana; 26 ary nankany amin'i Jôhany ireo mpianany ka nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ilay niaraka taminao teny andafy atsinanan'ny ony Jôrdàna sady nijoroanao ho vavolombelona iny anie ka manao batisa ary hatonin'ny olona rehetra. 27 Fa izao kosa no navalin'i Jôhany: –Tsy misy olona afaka mandray na inona na inona, raha tsy nomen'Andriamanitra azy izany. 28 Ianareo mihitsy no vavolombeloko fony aho nilaza hoe: «Tsy izaho no ilay Mesia, fa nirahina hialoha Azy aho.» 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan'ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny. 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

Ilay avy any an-danitra

31 –Ilay avy any ambony dia ambonin'ny olona rehetra; fa izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny zavatra momba ny etỳ an-tany no lazainy. Ilay avy any an-danitra no ambonin'ny olona rehetra; 32 ka izay efa hitany sy reny no ijoroany ho vavolombelona, saingy tsy misy olona mandray izany fijoroany ho vavolombelona izany. 33 Izay mandray ny fijoroany ho vavolombelona dia manamarina fa azo antoka Andriamanitra. 34 Ilay nirahin'Andriamanitra manko no milaza ny tenin'Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan'Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina. 35 Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ary efa nametraka ny zavatra rehetra eo am-pelatanany. 36 Izay mino ny Zanaka no velona aina mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy ho velona aina, fa itoeran'ny hatezeran'Andriamanitra

Jôhany 4

Resak'i Jesoa amin'ilay vehivavy samaritanina

1 -2 Tamin'izay dia ren'ny Farisianina fa maro kokoa noho ny an'i Jôhany ireo olona tongan'i Jesoa ho mpianatra sy nataony batisa; (kanefa tsy ny tenan'i Jesoa no nanao batisa fa ireo mpianany). Nony fantatry ny Tompo hoe ren'ny Farisianina izany, 3 dia niala tao Jodea Izy ary lasa nankany Galilea indray, 4 ka tsy maintsy namakivaky ny faritany Samaria. 5 Dia tonga tao amin'ny tanàna anankiray any Samaria i Jesoa. I Sikara no anaran'ilay tanàna, izay teo akaikin'ny saha nomen'i Jakôba an'i Jôsefa zanany; 6 teo no nisy ny fantsakan'i Jakôba. Ary i Jesoa tamin'izay efa sasatry ny dia nataony, ka nipetraka teo amoron'ny fantsakana, tokony ho tamin'ny 12 antoandro. 7 Nisy vehivavy samaritanina anankiray tonga hantsaka rano, ka nitenenan'i Jesoa hoe: –Mba omeo rano Aho hosotroiko! 8 Fa ireo mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy sakafo. 9 Dia hoy ilay vehivavy samaritanina tamin'i Jesoa: –Jiosy Ianao, ka nahoana no mangataka rano hosotroina amiko, nefa aho vehivavy samaritanina? Fa tsy mifandray amin'ny Samaritanina manko ny Jiosy. 10 Ka izao no navalin'i Jesoa an-dravehivavy: –Raha mba fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra ka fantatrao Ilay miteny aminao hoe: «mba omeo rano Aho hosotroiko», dia ianao no ho nangataka taminy ka homeny ranovelona. 11 Dia hoy ravehivavy taminy: –Tsy manana fanovozana Ianao, Tompoko, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany ranovelona izany? 12 I Jakôba razantsika no nanome anay ity fantsakana ity ary nisotro rano teto avokoa ny tenany sy ny zanany mbamin'ny biby fiompiny. Fa Ianao angaha lehibe noho i Jakôba razantsika? 13 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Izay rehetra misotro amin'ity rano ity dia mbola hangetaheta hatrany. 14 Fa na iza na iza hisotro amin'ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta na oviana na oviana; satria ny rano izay homeko azy dia hanjary loharano ao anatiny ka hiboiboika ho aina maharitra mandrakizay. 15 Ary hoy ravehivavy taminy: –Mba omeo amin'izany rano izany aho, Tompoko, dia tsy hangetaheta intsony ary koa tsy hankatỳ hantsaka intsony. 16 I Jesoa kosa niteny taminy hoe: –Ndeha antsoy ny vadinao, ka miverena atỳ? 17 Fa novalian-dravehivavy hoe: –Tsy manam-bady aho! Ary hoy i Jesoa taminy: –Marina ny filàzanao hoe tsy manam-bady ianao; 18 efa nanam-bady indimy ianao, ary tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny. Koa marina izany voalazanao izany. 19 Dia hoy ravehivavy taminy: –Hitako, Tompoko, fa mpaminany Ianao! 20 Ireo razanay Samaritanina dia nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo Jiosy kosa milaza fa any Jerosalema no tsy maintsy ivavahana. 21 Fa izao no tenin'i Jesoa taminy: –Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin'ny Ray eto amin'ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony. 22 Ianareo Samaritanina dia mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; fa izahay Jiosy kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria mipoitra avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Kanefa, ho an'ireo tena mpivavaka, dia avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hivavahany amin'ny Ray araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina; satria ny mpivavaka aminy araka izany no tadiavin'ny Ray. 24 Andriamanitra dia Fanahy, ary ny mpivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka araka ny fanentanan'ny Fanahy Masina sy araka ny tena fivavahana marina. 25 Dia hoy ravehivavy tamin'i Jesoa: –Fantatro fa misy Mesia anankiray ho avy, dia Ilay atao hoe Kristy! Ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 I Jesoa kosa nilaza taminy hoe: –Izaho Izay miresaka aminao no Izy! 27 Tamin'izay indrindra no tafaverina ny mpianany, ka gaga satria vehivavy no niresahany; saingy tsy nisy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?» na hoe «Ahoana no iresahanao aminy?» 28 Dia nandao ny sininy ravehivavy, ka lasa nankany an-tanàna hilaza amin'ny olona hoe: 29 –Ndao ianareo hizaha Lehilahy anankiray, Izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no ilay Mesia? 30 Dia nivoaka ny tanàna ny olona ka nankeo amin'i Jesoa. 31 Raha tsy mbola tonga ny olona, dia niangavian'ny mpianany hisakafo i Jesoa ka nataony hoe: –Mpampianatra ô, hano re ny sakafo! 32 Fa hoy i Jesoa taminy: –Izaho dia manana sakafo izay tsy fantatrareo. 33 Tamin'izay ny mpianany dia nifampilaza hoe: –Nisy olona nitondra zavatra hohaniny angaha? 34 Izao kosa no navalin'i Jesoa azy ireo: –Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy sy ny manatanteraka ny asa nampanaoviny Ahy. 35 Tsy ianareo ve no milaza fa efa-bolana sisa dia ho tonga ny taom-pijinjana? Indro kosa Aho milaza aminareo hoe: atopazy ny masonareo ka jereo ny eny an-tsaha, fa masaka ny vary sady efa fijinja! 36 Izay mijinja dia mandray karama sahady ary mamory vokatra ho an'ny fiaina-maharitra mandrakizay; hany ka hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja. 37 Amin'izany manko dia marina ilay ohabolana hoe: «Ny iray mamafy ary ny iray kosa mijinja.» 38 Izaho no naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo: olon-kafa no nisasatra, ary ianareo kosa nanohy eo amin'izay nisasarany. 39 Maro ny Samaritanina tamin'izany tanàna izany no nino an'i Jesoa noho ny tenin-dravehivavy nanambara hoe: «Nolazainy tamiko avokoa ny nataoko rehetra.» 40 Koa rehefa tonga teo amin'i Jesoa ny Samaritanina, dia niangavy Azy hitoetra tao aminy; ary dia nitoetra tao indroa andro i Jesoa. 41 Vao mainka maro aza no nino Azy noho ny teny nataony; 42 ka hoy ireo tamin-dravehivavy: –Tsy noho ny filàzanao ihany no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy an'izao tontolo izao.

Sitranin'i Jesoa ny zanakalahin'ilay tandapa

43 Nony afaka ny indro andro, dia niala teo amin'ny Samaritanina i Jesoa mba hankany Galilea; 44 ny tenan'i Jesoa manko no efa nanambara fa «tsy misy mpaminany hajaina eo amin'ny tany nahabe Azy». 45 Koa rehefa tonga tany Galilea Izy, dia noraisin'ny Galileanina; satria niakatra tany Jerosalema koa ry zareo tamin'ny fankalazana ny Paska, hany ka nahita izay rehetra nataon'i Jesoa tany nandritra ny fankalazana. 46 Tamin'izay i Jesoa dia nankany Kanà tanànan'i Galilea indray, tany amin'ilay nanovany ny rano ho divay. Ary nisy tandapa anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnahòma. 47 Rehefa reny fa hoe tonga ao Galilea avy tany Jodea i Jesoa, dia nanatona Azy ilay tandapa ary niangavy Azy mba hidina any Kafarnahòma hanasitrana ny zanany lahy efa ho faty. 48 Ka hoy i Jesoa taminy: –Raha tsy mahita famantarana sy zava-mahagaga ianareo, dia tsy mba hety hino mihitsy! 49 Fa novalian'ilay tandapa hoe: –Midîna re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako! 50 Ka hoy i Jesoa taminy: –Ndeha mody, fa velona soa aman-tsara ny zanakao! Nino ny teny voalazan'i Jesoa taminy ralehilahy, ka lasa nody. 51 Efa teny an-dalana midina ho any Kafarnahòma izy no tamy nitsena azy ny mpanompony ka nilaza hoe: –Velona soa aman-tsara ny zanakao! 52 Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany ka hoy ireo taminy: –Omaly tamin'ny iray tolakandro no nialan'ny tazo taminy. 53 Koa fantatry ny rain-drazazalahy fa tamin'izany ora izany indrindra no nanaovan'i Jesoa taminy hoe: «Velona soa aman-tsara ny zanakao»; dia nino izy mbamin'ny ankohonany rehetra. 54 Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesoa, dia fony Izy tonga tao Galilea avy tany Jodea.

Jôhany 5

Sitranin'i Jesoa ilay malemy tao Betesdà

1 Taorian'izany, dia nisy fankalazana nataon'ny Jiosy ka niakatra tany Jerosalema i Jesoa. 2 Ary tao Jerosalema teo akaikin'ny vavahadin'ny ondry, dia nisy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin'ny teny hebreo. Lala-mitafo dimy no manamorona ilay dobo, 3 ary marobe ny marary nandry tamin'ireo lala-mitafo ireo: dia ny jamba, ny mandringa, ny maty ila. Niandry ny fihetsehan'ny rano izy rehetra, 4 fa nisy anjelin'ny Tompo nidina tao anatin'ny dobo indraindray ary nampihetsika ny rano; ka izay marary niroboka voalohany, rehefa mihetsika ny rano, dia sitrana tamin'ny aretiny na inona na inona nanjo azy. 5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay narary hatramin'ny 38 taona. 6 Hitan'i Jesoa nandry teo ralehilahy io sady fantany tsara fa hatramin'ny ela izy no efa toy izany, ka nilazany hoe: –Te ho sitrana ve ianao? 7 Dia novalian'ilay marary hoe: –Tsy mba manana olona handroboka ahy ao anatin'ny dobo aho, Tompoko, rehefa voahetsika ny rano; ka nony mandeha aho, dia olon-kafa no tafidina alohako. 8 Dia hoy i Jesoa taminy: –Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana! 9 Niaraka tamin'izay dia sitrana ralehilahy, ka nitondra ny fandriany ary nandeha. Sabata anefa tamin'io andro io. 10 Koa izao no tenin'ireo manampahefana jiosy tamin-dralehilahy vao sitrana: –Sabata ny andro, ka tsy azonao atao ny mitondra ny fandrianao. 11 Fa novaliany hoe: –Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: «Ento ny fandrianao ka mandehana!» 12 Dia hoy ry zareo nanontany azy: –Iza moa ilay olona nanao taminao hoe: «Ento ny fandrianao ka mandehana»? 13 Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, satria niala teo i Jesoa noho ny vahoaka vory tamin'io toerana io. 14 Taorian'izany, dia hitan'i Jesoa teo an-kianjan'ny tempoly ralehilahy ka nilazany hoe: –Indro efa sitrana ianao; ka aza manota intsony, fandrao zavatra ratsy kokoa noho ny teo no hanjo anao! 15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin'ireo manampahefana jiosy fa i Jesoa no nahasitrana azy. 16 Noho i Jesoa nanao izany tamin'ny andro sabata, dia nanenjika Azy ny manampahefana jiosy. 17 Fa hoy i Jesoa tamin'ireo: –Ny Raiko dia miasa tsy an-kiato ary Izaho koa miasa. 18 Noho izany teny izany dia vao mainka nitady hamono Azy ny manampahefana jiosy; satria tsy vitan'ny hoe nandika ny fepetra momba ny sabata fotsiny i Jesoa, fa nilaza koa hoe Andriamanitra no Rainy, ka dia nanao ny tenany ho mitovy amin'Andriamanitra.

Ny fahefan'ilay Zanak'Andriamanitra

Dia niteny indray i Jesoa nanao tamin'ny manampahefana jiosy hoe: 19 –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny Zanaka dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenany: izay hitany ataon'ny Ray no ataony, satria na inona na inona ataon'ny Ray dia toy izany koa no ataon'ny Zanaka. 20 Ny Ray dia fatra-pitia ny Zanaka, ka ny zavatra rehetra ataon'Izy Ray dia asehony Azy; ary asa lehibe noho ireto aza no mbola hasehony Azy, mba higaganareo. 21 Ny Ray dia mampitsangana ireo maty sy mamelona aina azy: toy izany koa, ny Zanaka dia mamelona aina ireo tiany hovelomina aina. 22 Ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no efa nomeny fahefana feno hitsara, 23 mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny anajan'ny olona rehetra ny Ray: izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray Izay naniraka Azy. 24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin'ny fahafatesana mba ho velona aina. 25 Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan'ny maty ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona. 26 Ny Ray dia manana fahefana hanome ny aina: toy izany koa no nanomezany fahefana ny Zanaka hanome ny aina. 27 Ary nomen'ny Ray fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. 28 Aza gaga amin'izany, fa avy ny fotoana handrenesan'ireo rehetra any am-pasana ilay feon'ny Zanak'Andriamanitra; 29 ary hiala avy ao izy rehetra, ka izay manao ny tsara dia hitsangana mba ho velona aina, fa izay manao ny ratsy kosa dia hitsangana mba hohelohina.

Ireo vavolombelona manambara ny fahefàn'i Jesoa

30 –Raha Izaho dia tsy mahavita na inona na inona avy amin'ny tenako. Araka izay reko amin'ny Ray no itsarako; ka ara-drariny ny fitsaràko, satria tsy ny sitrapoko no tadiaviko hatao fa ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy. 31 Raha Izaho ihany no vavolombelona manambara ny tenako, dia tsy azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona; 32 fa misy hafa izay mijoro ho vavolombelona momba Ahy, ary fantatro fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona momba Ahy. 33 Nandefa iraka tany amin'i Jôhany ianareo, ary nijoro ho vavolombelona nanambara ny marina i Jôhany. 34 Tsy dia ny fijoroana ho vavolombelona avy amin'olona anefa no ianteherako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no ilazako izany. 35 I Jôhany dia toy ny jiro nirehitra sy nanazava, ka satrinareo nifaliana vetivety ny fahazavany. 36 Raha Izaho dia manana fijoroana ho vavolombelona manoatra ny an'i Jôhany, satria ireo asa nomen'ny Raiko hotontosaiko sady ataoko tokoa no vavolombelona momba Ahy sady manambara fa nirahin'ny Ray Aho: 37 ny Ray Izay naniraka Ahy mihitsy no vavolombelona nanambara Ahy. Tsy mba nandre ny feony na nahita ny endriny na oviana na oviana ianareo, 38 sady tsy mba manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny. 39 Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ao no heverinareo hahavelona aina mandrakizay; ireo Soratra Masina ireo indrindra no mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 40 kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hahavelona aina anareo. 41 Tsy hoe voninahitra avy amin'olombelona no tadiaviko; 42 saingy fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatinareo. 43 Raha Izaho dia tamin'ny anaran'ny Raiko no nahatongavako, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa ka tamin'ny anaran'ny tenany no nahatongavany, dia horaisinareo. 44 Aminareo samy ianareo no itadiavanareo voninahitra fa ny voninahitra avy amin'Andriamanitra Tokana tsy tadiavinareo, ka hataonareo ahoana no fino? 45 Aza heverinareo fa Izaho no hiampanga anareo eo anatrehan'ny Ray; ao ny hiampanga anareo, dia i Mosesy5 .45 Ampit Deot 31 .26 -27 . izay nitokianareo! 46 Eny, raha mba mino an'i Mosesy ianareo, dia ho nino Ahy koa, satria nanoratra nanambara Ahy izy. 47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ireo teniko?

Jôhany 6

Omen'i Jesoa sakafo ny olona mihoatra ny dimy arivo

1 Taorian'izany, dia lasa i Jesoa nankeny ampitan'ny farihin'i Galilea (na hoe farihin'i Tiberiada). 2 Nisy vahoaka maro nanaraka Azy, noho ny nahitan'izy ireo ny famantarana nataon'i Jesoa hanasoavana ny marary. 3 Dia niakatra teo an-tendrombohitra ry i Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin'ny mpianany. 4 Tamin'izay dia efa akaiky ny Paska, ilay fankalazana fanaon'ny Jiosy. 5 Rehefa nanopy maso i Jesoa ka nahita fa nisy vahoaka maro nanatona Azy, dia nilaza tamin'i Filipo hoe: –Aiza no hividianantsika mofo hohanin'ireo? 6 Fizahan-toetra an'i Filipo no nilazan'i Jesoa izany, satria Izy nahalala rahateo izay efa hataony. 7 Dia hoy i Filipo taminy: –Na dia mofo mitentina denàry 200 aza, tsy ampy hahazoan'ny tsirairay sombiny kely akory! 8 Ny anankiray tamin'ny mpianany koa, dia i Andrea rahalahin'i Simôna Petera, nilaza taminy hoe: 9 –Misy zazalahy ao manana mofo ôrza dimy sy trondro madinika anankiroa; fa ho ampy inona izany amin'izao olona marobe izao? 10 Dia hoy i Jesoa hoe: –Asaovy mipetraka ny olona! Noho ny fisian'ny ahitra be teo amin'ilay toerana, dia nipetraka ny olona ka tokony ho dimy arivo no isan'ny vatan-dehilahy. 11 Tamin'izay i Jesoa no nandray ireo mofo ka nony avy nisaotra an'Andriamanitra dia nizara azy ho an'izay nipetraka hihinana; ary nozarainy toy izany koa ny trondro arakaraka izay nilain'ny mpihinana. 12 Rehefa voky ny olona, dia hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: –Angony ny tapa-mofo sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very! 13 Dia nangonin'ireo mpianatra, ka nahafeno sobika 12 ny tapa-mofo avy amin'ny mofo ôrza dimy, dia izay sisa tsy lanin'ny nihinana. 14 Rehefa nahita ny famantarana nataon'i Jesoa teo ny olona, dia vaky vava hoe: –Ity tokoa ilay Mpaminany voalaza fa tsy maintsy ho tonga amin'izao tontolo izao! 15 Fantatr'i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Andehanan'i Jesoa an-tongotra eny ambony rano

16 Nony hariva ny andro, dia nidina nankeny amoron'ny farihy ireo mpianatr'i Jesoa. 17 Ary niondrana an-tsambokely izy ireo ka nita ny farihy ho any Kafarnahòma. Efa maizina ny andro tamin'izay, nefa i Jesoa mbola tsy tonga teo amin'ireo mpianany; 18 ary nanonja ny farihy, satria nifofofofo mafy ny rivotra. 19 Rehefa nivoy tokony ho dimy na enina kilaometatra izy ireo, dia nahita an'i Jesoa nandeha teny ambony farihy sy nanakaiky ny sambokely; hany ka raiki-tahotra ireo mpianatra. 20 Fa hoy kosa i Jesoa taminy: –Izaho ihany ity, fa aoka izay ny tahotra! 21 Dia te handray Azy ho eo an-tsambokely ireo mpianany; nefa niaraka tamin'izay dia tafatody tamin'ny tany nokasain'izy ireo haleha ny sambokely.

Tadiavin'ny vahoaka i Jesoa

22 Ny ampitson'iny, dia tsikaritry ny vahoaka izay tafajanona teny ampitan'ny farihy fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy ny anankiray ihany; ary tsikaritr'izy ireo koa fa i Jesoa dia tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin'ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha. 23 Kanefa nisy sambokely hafa maro avy any Tiberiada tonga teo akaikin'ilay toerana nihinanan'izy ireo ny mofo, fony avy nisaotra an'Andriamanitra ny Tompo. 24 Koa ny vahoaka, rehefa nahita fa tsy teo na i Jesoa na ny mpianany, dia niondrana tamin'ireo sambokely ireo ka nankany Kafarnahòma hitady an'i Jesoa.

I Jesoa no mofo manome aina

25 Rehefa nahita an'i Jesoa teny ampitan'ny farihy ny vahoaka, dia nanontany Azy hoe: –Mpampianatra ô, oviana no tonga teto Ianao? 26 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny itadiavanareo Ahy dia tsy noho ianareo nahita famantarana, fa noho ianareo nihina-mofo ka voky. 27 Aoka hiasa ianareo, tsy hoe hahazoana ny sakafo mety levona, fa hahazoana ny sakafo matàna ho aina maharitra mandrakizay, dia ilay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no efa nasian'Andriamanitra ny mariky ny fahefana nomeny Azy. 28 Dia hoy ireo tamin'i Jesoa: –Inona àry no tokony hataonay mba hanatontosanay ireo asan'Andriamanitra? 29 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Izao no asa imasoan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Ilay nirahiny! 30 Fa hoy ireo taminy: –Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona no asa ataonao? 31 Ireo razantsika dia nihinana ny mana tany an-taniefitra, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Mofo avy tany an-danitra no efa nomen'ny Tompo azy ireo hohanina!» 32 Tamin'izay i Jesoa dia niteny taminy hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy i Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ilay tena mofo avy any an-danitra; 33 satria ny mofo omen'Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome ny aina ho an'izao tontolo izao! 34 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Jesoa: –Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany! 35 Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho no mofo manome ny aina! Izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony; 36 saingy voalazako taminareo fa efa mahita Ahy ianareo, nefa tsy mino. 37 Izay rehetra omen'ny Ray Ahy no hanatona Ahy; ary izay hanatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, 38 satria nidina avy tany an-danitra Aho tsy hoe hanao ny sitrapoko fa hanao ny sitrapon'Ilay naniraka Ahy. 39 Izao no sitrapon'Ilay naniraka Ahy: dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny hananganako azy ho velona amin'ny andro farany. 40 Eny, izao no sitrapon'ny Raiko: dia ny hahavelona aina mandrakizay ny olona rehetra mibanjina sy mino ny Zanaka; ary Izaho dia hanangana azy ho velona amin'ny andro farany. 41 Dia nimonomonona tamin'i Jesoa ny Jiosy, noho Izy niteny hoe: «Izaho no mofo nidina avy tany an-danitra!» 42 Ka hoy ry zareo taminy: –Tsy ilay io ve no i Jesoa, zanak'i Jôsefa? Fantatsika ny ray aman-dreniny, koa ahoana àry no anaovany hoe: «Nidina avy tany an-danitra Aho»? 43 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Aoka izay ny monomonona! 44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin'ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany. 45 Fa izao no voalazan'ny Soratra Masina ao amin'ny bokin'ny mpaminany: «Hampianarin'Andriamanitra izy rehetra6 .45 Jereo Is 54 .13 .!» Koa izay rehetra nandre sy nianatra tamin'ny Ray no manatona Ahy. 46 Tsy hoe nisy nahita ny Ray, afa-tsy Ilay avy amin'Andriamanitra: izy no nahita ny Ray. 47 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia velona aina mandrakizay. 48 Izaho no mofo manome ny aina. 49 Ireo razanareo nihinana ny mana tany an-taniefitra, nefa maty ihany; 50 ity kosa ny mofo midina avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy. 51 Izaho no mofo antoky ny fiainana, dia ilay mofo nidina avy tany an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny tenako mba hahavelona aina an'izao tontolo izao! 52 Tamin'izay ny Jiosy dia nifanditra hoe: –Hataon'ilay io ahoana re no fanome antsika ny tenany hohanina? 53 Ka hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy mihinana ny tenan'ny Zanak'olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy velona aina ao anatinareo. 54 Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako no velona aina mandrakizay; ary Izaho hanangana azy ho velona amin'ny andro farany. 55 Fa ny tenako dia fihinana tokoa; ary ny rako dia fisotro tokoa! 56 Izay mihinana ny tenako sy misotro ny rako, dia mitoetra ato anatiko, ary Izaho ao anatiny. 57 Velona ny Ray naniraka Ahy, ary Izaho velomin'ny Ray: toy izany koa no hamelomako izay mihinana Ahy. 58 Ity no mofo nidina avy tany an-danitra: tsy mba tahaka ilay nohanin'ny razanareo; maty ihany izy ireo, fa izay mihinana ity mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay. 59 Izany teny izany no nataon'i Jesoa, fony Izy nampianatra tao amin'ny sinagôga tany Kafarnahòma.

Ireo teny manome ny aina maharitra mandrakizay

60 Koa maro tamin'ny mpianatr'i Jesoa, rehefa avy nandre Azy no nilaza hoe: –Sarotra izany teny izany, ka iza no mahahaino izany? 61 Fantatr'i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy: –Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany? 62 Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak'olona miakatra any amin'izay nitoerany taloha? 63 Ny Fanahy Masina no mamelona aina; raha ny maha olombelona fotsiny dia tsy mahasoa akory. Ireo teny izay nolazaiko taminareo no mahatonga anareo handray ny Fanahy Masina mamelona aina, 64 kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr'i Jesoa hatramin'ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.) 65 Ary hoy i Jesoa: –Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen'ny Ray azy izany! 66 Nanomboka tamin'io fotoana io dia maro tamin'ny mpianatr'i Jesoa no nihemotra, ka tsy niara-dia taminy intsony. 67 Ka hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy: –Ianareo koa ve mba te hiala? 68 Dia novalian'i Simôna Petera hoe: –Tompo ô, hankany amin'iza àry izahay? Ianao no manana ny teny manome ny aina maharitra mandrakizay; 69 sady izahay efa mino sy mahalala fa Ianao no ilay Masina avy amin'Andriamanitra! 70 Fa hoy i Jesoa tamin'ny 12 lahy: –Tsy Izaho ve no nifidy anareo 12 lahy? Kanefa devoly ny anankiray aminareo! 71 Ny nolazainy dia i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta; izy io manko, na dia anisan'ny 12 lahy aza, no ilay efa hanolotra an'i Jesoa. © 2003 Société Biblique Malgache

Jôhany 7

Tsy mino an'i Jesoa ny rahalahiny

1 Taorian'izany i Jesoa dia nitety an'i Galilea fa tsy te hitety an'i Jodea, satria notadiavin'ny manampahefana jiosy hovonoina. 2 Efa akaiky kosa ny fankalazana fanaon'ny Jiosy, dia ny fankalazana ny Tranolay; 3 ka hoy ny rahalahin'i Jesoa taminy: –Mialà eto Ianao ka mandehana any Jodea, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ireo asa ataonao. 4 Fa tsy misy olona manafina izay ataony raha mitady ho fanta-bahoaka. Raha manao ireny zavatra ireny Ianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao. 5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy; 6 ka hoy i Jesoa taminy: –Tsy mbola migadona ny fotoanandroko, fa ny fotoanandro dia mety lalandava ho anareo. 7 Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany. 8 Miakara any amin'ny fankalazana ianareo, fa Izaho tsy mbola miakatra any amin'izany fankalazana izany, satria tsy mbola feno ny fotoanandroko. 9 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nijanona tao Galilea ihany.

Tany amin'ny fankalazana ny Tranolay

10 Rehefa lasa niakatra any amin'io fankalazana io ny rahalahiny, dia niakatra koa i Jesoa, nefa tsy mba nisehoseho fa toa niafinafina. 11 Nandritra ny fankalazana dia nitady Azy ny manampahefana jiosy ary fatra-panontany hoe: –Aiza Izy? 12 Ary nitakoritsika be ny amin'i Jesoa ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: «Tsara fanahy Izy»; ny sasany kosa nanao hoe: «Tsy izany, fa mamitaka ny vahoaka Izy.» 13 Saingy tsy nisy niresaka Azy an-karihary noho ny fahatahorana ny manampahefana jiosy. 14 Teo antenatenan'ny fankalazana, dia niakatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka nampianatra. 15 Dia gaga ny manampahefana jiosy ka vaky vava hoe: –Ahoana no ahaizan'ilay io Soratra Masina, nefa tsy mba nianatra Izy? 16 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Ilay naniraka Ahy. 17 Raha misy olona te hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia hahalala ny amin'ny fampianarako izy, na zavatra avy amin'Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny. 18 Izay miteny zavatra avy amin'ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an'ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy. 19 Moa tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalàna? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalàna! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina? 20 Dia hoy ny vahoaka taminy: –Ondranondranana Ianao! Iza no mitady hamono Anao? 21 Ka novalian'i Jesoa hoe: –Asa iray monja no nataoko, dia gaga ianareo rehetra! 22 Noho i Mosesy nanome didy anareo hanao famorana (kanefa tsy i Mosesy no nipoirany fa ny razanareo), dia mamora olona ihany ianareo na amin'ny andro sabata aza. 23 Koa raha andro sabata no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalànan'i Mosesy, dia tezitra amiko ve ianareo raha misy lehilahy anankiray nataoko sitrana soa aman-tsara ny tenany manontolo tamin'ny andro sabata? 24 Aza dia mitsara araka ny ivelany fa mitsarà araka ny rariny.

I Jesoa ve no ilay Mesia?

25 Tamin'izay ny mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: –Tsy Izy io ve Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina? 26 Indro Izy miteny an-karihary, kanefa ry zareo tsy mandrara Azy akory! Sao dia efa azon'ireo filohantsika antoka fa Izy no ilay Mesia? 27 Ilay io anefa dia fantatsika ny ipoirany; fa ny Mesia, rehefa tonga, dia tsy misy mahalala ny ipoirany. 28 Koa raha nampianatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia niantso mafy hoe: –Izaho ve dia fantatrareo tokoa, ary fantatrareo tokoa ve ny ipoirako? Tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, saingy ianareo tsy mahalala Azy. 29 Izaho no mahalala Azy, satria avy any aminy no ipoirako sady Izy no naniraka Ahy. 30 Tamin'izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoanandron'i Jesoa. 31 Maro kosa tamin'ny vahoaka no nino Azy sady niteny hoe: «Rehefa tonga ny Mesia, moa ve hanao famantarana maro mihoatra ny nataon'Izy io?»

Irahina hisambotra an'i Jesoa ny mpiandry raharaha

32 Ren'ny Farisianina ny vahoaka mitakoritsika ny amin'i Jesoa toy izany; ka naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina. 33 Dia hoy i Jesoa: –Kely foana sisa no itoerako aminareo, dia hankany amin'Ilay naniraka Ahy aho. 34 Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, satria ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha! 35 Tamin'izay ny manampahefana jiosy dia nifampilaza hoe: –Aiza no toerana halehan'ilay io no tsy ho hitantsika Izy? Hankany amin'ireo Jiosy miely any amin'ny Grika ve Izy ka hampianatra ny Grika? 36 Inona no hevitr'ity teny voalazany hoe: «Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, sady ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha»?

Onin-drano velona

37 Tamin'ilay andro lehibe famaranana7 ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: –Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy; 38 ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia «hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!» 39 Ny Fanahy Masina efa horaisin'ireo nino an'i Jesoa no voalazany tamin'izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.

Mampifanohitra ny vahoaka ny amin'i Jesoa

40 Ny sasany tamin'ny vahoaka, nony nandre ireo teny ireo, dia nanao hoe: –Ity tokoa no ilay Mpaminany! 41 Ny sasany nanao hoe: –Ity no ilay Mesia! Ny sasany kosa nanao hoe: –Fa angaha avy any Galilea no iavian'ny Mesia? 42 Tsy efa voalazan'ny Soratra Masina ve fa avy amin'ny taranak'i Davida sady avy ao Betlehema tanàna nonenan'i Davida no iavian'ny Mesia? 43 Koa nisara-tsaina ny amin'i Jesoa ny vahoaka; 44 ny sasany tamin'izy ireo dia nitady hisambotra Azy, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.

Tsy mino an'i Jesoa ireo manampahefana jiosy

45 Dia niverina tany amin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ny mpiandry raharaha ka nilazan-dry zareo hoe: –Ahoana no tsy nitondranareo Azy? 46 Dia novalian'ny mpiandry raharaha hoe: –Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany! 47 Ka hoy ny Farisianina taminy: –Ianareo koa angaha voafitaka? 48 Moa ve misy anankiray amin'ireo filohantsika na anankiray amin'ireo Farisianina mba nino Azy? 49 Saingy ireto vahoaka tsy mahalala ny lalànan'i Mosesy no olona voaozona! 50 Fa i Nikôdema, ilay efa nanatona an'i Jesoa teo aloha sady anisan'ny Farisianina, dia niteny tamin-dry zareo hoe: 51 –Moa ny lalànantsika ve manameloka olona raha tsy efa re aloha izy sady fantatra izay nataony7 .51 Ampit Deot 1 .16 .? 52 Dia novalian'ireo hoe: –Ianao koa angaha mba avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany mipoitra avy any Galilea!

Ilay vehivavy azo nanitsakitsa-bady

53 Dia samy lasa nody any an-tranony avy ry zareo.

Jôhany 8

1 Fa i Jesoa kosa lasa nankeny amin'ny tendrombohitra Analanôliva. 2 Ny ampitso maraina be, dia niverina tao an-kianjan'ny tempoly Izy; ary nanatona Azy ny vahoaka rehetra, ka nipetraka Izy nampianatra azy ireo. 3 Nisy kosa vehivavy anankiray, azo nanitsakitsa-bady. Nentin'ny mpahay lalàna sy ny Farisianina ravehivavy, ka narosony teo anoloan'ny olona; 4 dia hoy ry zareo tamin'i Jesoa; –Mpampianatra ô, azo nanitsakitsa-bady ity vehivavy ity. 5 Ary i Mosesy, ao amin'ny lalàna, dia nandidy anay hitora-bato ny vehivavy toy izany; fa Ianao kosa mba ahoana? 6 Nolazain'ireo izany hamandrihana Azy, mba hisy hiampangany Azy. Fa i Jesoa kosa niondrika, dia nanoratsoratra teo amin'ny tany tamin'ny rantsan-tanany. 7 Ry zareo amin'izany mbola manontany Azy ihany; ka nitraka Izy ary niteny tamin'ireo hoe: –Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany! 8 Dia niondrika indray i Jesoa, ka nanoratsoratra teo amin'ny tany. 9 Fa ry zareo kosa, nony nandre izany, dia niala teo tsirairay nanomboka hatramin'ny zokinjokiny; ka i Jesoa irery sisa nijanona sy ilay vehivavy teo anoloan'ny olona. 10 Dia nitraka i Jesoa, ka nilaza tamin-dravehivavy hoe: –Aiza ry zareo teo, ramatoa? Tsy nisy nanameloka anao angaha? 11 Dia novaliany hoe: –Tsy nisy, Tompoko! Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho koa tsy manameloka anao! Mandehana, ka aza manota intsony manomboka izao!

I Jesoa no fahazavana ho an'izao tontolo izao

12 Tamin'izay dia nitenenan'i Jesoa indray ny vahoaka nataony hoe: –Izaho no fahazavana ho an'izao tontolo izao; izay miaraka amiko tsy mba handeha anatin'ny haizina, fa hanana ny fahazavana vokatry ny aina! 13 Ka hoy ny Farisianina tamin'i Jesoa: –Vavolombelona manambara tena Ianao, ka tsy azo antoka ny fijoroanao ho vavolombelona! 14 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Na dia vavolombelona manambara tena aza Aho, dia azo antoka ny fijoroako ho vavolombelona, satria fantatro izay niaviako sy izay alehako; fa ianareo kosa tsy mahafantatra izay iaviako na izay alehako! 15 Ianareo dia mitsara araka ny fanaon'olombelona; Izaho kosa tsy mitsara olona na iza na iza. 16 Ary raha mitsara Aho, dia mahitsy ny fitsarako; satria tsy irery Aho no mitsara, fa miaraka amiko ny Ray Izay naniraka Ahy. 17 Voasoratra ao amin'ny lalànanareo fa azo antoka ny fijoroan'ny olona roa ho vavolombelona; 18 Izaho dia vavolombelona manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy koa. 19 Dia hoy ny Farisianina taminy: –Aiza ny Rainao? Fa novalian'i Jesoa hoe: –Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko ihany koa. 20 Ireo teny ireo dia nolazain'i Jesoa teo akaikin'ny fandatsahan-drakitra, fony Izy nampianatra teo an-kianjan'ny tempoly; ary tsy nisy olona nisambotra Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoanandrony.

Izay alehako tsy azonareo aleha

21 Dia hoy indray i Jesoa tamin'ny vahoaka: –Handeha Aho ka hotadiavinareo, saingy ho faty amin'ny fahotanareo ianareo; izay alehako tsy azonareo aleha. 22 Dia hoy ny Jiosy: –Hamono tena angaha Izy no manao hoe: «Izay alehako tsy azonareo aleha»? 23 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Ianareo dia avy etỳ an-tany; Izaho kosa avy any an-danitra. Ianareo dia avy amin'izao tontolo izao; Izaho kosa tsy mba avy amin'izao tontolo izao. 24 Koa izany no nilazako taminareo hoe: «Ho faty amin'ny fahotanareo ianareo»; satria raha tsy inoanareo fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay», dia ho faty amin'ny fahotanareo ianareo! 25 Dia hoy ireo taminy: –Iza moa Ianao? Ka novalian'i Jesoa hoe: –Ilay lazaiko aminareo indrindra! 26 Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana ny aminareo Aho; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, ary izay zavatra efa reko taminy no lazaiko amin'izao tontolo izao. 27 Saingy tsy fantatr'ireo fa ny Ray no voalazany taminy. 28 Ka hoy i Jesoa taminy: –Rehefa voasandratrareo ny Zanak'olona, dia ho fantatrareo fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»; sady tsy manao na inona na inona avy amin'ny tenako aho, fa izay nampianarin'ny Ray Ahy no lazaiko. 29 Ary Ilay naniraka Ahy dia miaraka amiko; fa tsy avelany ho irery Aho, satria manao izay mahafaly Azy lalandava! 30 Tamin'i Jesoa niteny izany, dia maro no nino Azy.

Ny olona afaka sy ny olona andevozina

31 Dia hoy i Jesoa tamin'ireo Jiosy nino Azy: –Raha maharitra mitana ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32 sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no hanafaka anareo! 33 Fa novalian'ireo hoe: –Taranak'i Abrahama izahay ary tsy mba nandevozin'olona na oviana na oviana; ka ahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo? 34 Dia hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin'ny fahotana. 35 Tsy hijanona ao an-trano lalandava ny mpanompo, fa ny zanaka no mijanona ao lalandava. 36 Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37 Fantatro fa taranak'i Abrahama ianareo, kanefa mitady hamono Ahy satria tsy tafalatsaka ao anatinareo ny teniko. 38 Izaho izay milaza izay efa hitako teo amin'ny Raiko; ianareo kosa manao izay efa renareo tamin'ny rainareo!

Olona andevozin'ny devoly ianareo

39 Dia niteny tamin'i Jesoa ry zareo nanao hoe: –I Abrahama no rainay! Fa hoy i Jesoa taminy: –Raha tena zanak'i Abrahama ianareo, dia ho nanao ireo asan'i Abrahama. 40 Nefa ankehitriny tadiavianareo hovonoina Aho, dia Izaho nilaza taminareo ny marina izay efa reko tamin'Andriamanitra: tsy mba nanao izany i Abrahama! 41 Fa ianareo kosa dia ny asan'ny rainareo no ataonareo. Dia hoy ireo taminy: –Tsy zaza sary izahay no nateraka; tokana ihany ny rainay, dia Andriamanitra. 42 I Jesoa kosa nanao taminy hoe: –Raha Andriamanitra no tena Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako atỳ; tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako, fa Izy no naniraka Ahy. 43 Ahoana no tsy ahazoanareo ny fiteniko? Satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44 Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin'ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin'ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain'ny mpandainga. 45 Fa Izaho kosa tsy inoanareo, satria ny marina no lazaiko. 46 Iza moa aminareo no afaka hanaporofo fa nanota Aho? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy 47 Izay avy amin'Andriamanitra no mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin'Andriamanitra ianareo!

I Abrahama sy i Jesoa

48 Dia niteny tamin'i Jesoa ny Jiosy nanao hoe: –Tsy marina ve ny filàzanay fa Samaritanina Ianao sady ondranondranana? 49 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Izaho tsy ondranondranana fa manome haja ny Raiko; fa ianareo kosa tsy manome haja Ahy. 50 Saingy Izaho tsy mitady ny voninahitro, fa ao Ilay mitady izany ho Ahy sady mitsara ara-drariny. 51 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy. 52 Dia hoy ny Jiosy taminy: –Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminanin'Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: «Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.» 53 Angaha Ianao lehibe noho ny rainay, dia i Abrahama izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty, manao Anao ho iza moa Ianao? 54 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Raha manome voninahitra ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, Izay lazainareo fa Andriamanitrareo, no manome voninahitra Ahy! 55 Saingy tsy nahafantatra Azy ianareo; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo. Eny, mahalala Azy Aho sady mitandrina ny teniny. 56 Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly. 57 Dia hoy ny Jiosy taminy: –Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita Anao i Abrahama? 58 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay»! 59 Tamin'izay dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa i Jesoa kosa niery ka lasa nivoaka ny kianjan'ny tempoly.

Jôhany 9

Ampahiratin'i Jesoa ralehilahy teraka jamba

1 Raha nandalo ry i Jesoa, dia nahita lehilahy jamba hatry ny vao teraka. 2 Dia nanontany an'i Jesoa ny mpianany nanao hoe: –Mpampianatra ô, iza moa no nanota, ralehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy? 3 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Tsy izy no nanota na ny ray aman-dreniny, fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra eo aminy. 4 Isika tsy maintsy manao ny asan'Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan'iza na iza miasa! 5 Raha mbola eo amin'izao tontolo izao Aho, dia fahazavana ho an'izao tontolo izao. 6 Nony avy nilaza izany Izy, dia nandrora tamin'ny tany sy nanao feta tamin'ny rorany, ka nanosotra feta ny mason'ilay jamba 7 ary nanao taminy hoe: –Ndeha ianao misasa maso any amin'ny dobo Silôà. (Silôà dia midika hoe «Nirahina».) Dia lasa nankany izy ary nisasa maso ka nahiratra rehefa niverina. 8 Tamin'izay ireo mpiara-monina aminy sy ireo olona nahita fa mpangataka izy taloha, dia nanao hoe: –Tsy ity ve ilay nipetraka nangataka? Ka hoy ny sasany: –Izy io! 9 Fa hoy ny sasany: –Tsia, fa olona mitovy aminy! Ralehilahy kosa nilaza hoe: –Izaho mihitsy ity! 10 Dia hoy ny olona taminy: –Fomba ahoana àry no nahiratan'ny masonao? 11 Fa novaliany hoe: –Ilay Lehilahy atao hoe Jesoa no nanao feta sy nanosotra ny masoko, dia nanao tamiko hoe: «Ndeha ianao mankany amin'ny dobo Silôà, dia misasà maso.» Koa lasa nankany aho, dia nisasa maso ary nahiratra. 12 Dia hoy ny olona taminy: –Aiza moa izany Lehilahy izay? Fa novaliany hoe: –Tsy fantatro!

Fotopotorin'ireo Farisianina ilay jamba sitrana

13 Dia nentin'ny olona tany amin'ny Farisianina ilay jamba taloha. 14 Andro sabata no nanaovan'i Jesoa ny feta sy nampahiratany maso azy; 15 koa ireo Farisianina indray no nanontany ilay jamba taloha ny amin'ny fomba nahiratany, ary izao no navaliny: –Nasiany feta ny masoko, dia nisasa maso aho ka nahiratra! 16 Tamin'izay ny sasany tamin'ireo Farisianina dia nanao hoe: –Tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny fepetra momba ny sabata! Ny sasany kosa nanao hoe: –Fomba ahoana moa no ahafahan'olona mpanota manao famantarana toy ireny? Dia nisara-tsaina ry zareo. 17 Ary hoy indray ireto Farisianina tamin'ilay jamba: –Ianao kosa, ahoana no mba ilazanao Azy, raha nampahiratra ny masonao Izy? Ka novaliany hoe: –Mpaminany Izy. 18 Tamin'izay ny manampahefana jiosy dia tsy nino hoe jamba taloha ralehilahy ka nahiratra, ambara-piantson-dry zareo ny ray aman-dreniny 19 nanontaniany hoe: –Ralehilahy io ve no zanakareo izay lazainareo fa teraka jamba? Fomba ahoana àry no nahiratany ankehitriny? 20 Dia izao no navalin'ny ray aman-dreniny: –Fantatray fa izy io dia zanakay sady teraka jamba; 21 fa tsy fantatray ny fomba nahiratany ankehitriny, ary tsy fantatray koa izay olona nampahiratra ny masony. Izy anontaniana fa efa lehibe, ka dia izy ihany no hilaza ny amin'ny tenany. 22 Izany no tenin'ny ray aman-dreniny noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy; satria efa nifanaraka ny manampahefana jiosy fa raha manaiky an'i Jesoa ho Mesia, dia horoahina hiala amin'ny sinagôga. 23 Ka izany no nitenenan'ny ray aman-dreniny hoe: «Efa lehibe izy, ka izy anontaniana!» 24 Dia nantsoin'ireo Farisianina indray ilay jamba taloha, ka nilazany hoe: –Lazao ny marina eo anatrehan'Andriamanitra! Izahay aloha dia tsy mahalala fa mpanota iny Lehilahy iny. 25 Ka hoy ny navaliny azy: –Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray ihany no fantatro: jamba aho taloha fa mahiratra ankehitriny. 26 Dia hoy ireo taminy: –Inona no nataony taminao? Fomba ahoana no nampahiratany ny masonao? 27 Fa novaliany hoe: –Efa voalazako taminareo, fa tsy nohenoinareo! Ka ahoana no itiavanareo mihaino izany indray? Te ho tonga mpianany koa ve ianareo? 28 Dia notevatevain'ireo Farisianina ralehilahy sady nataony hoe: –Ianao no mpianany fa izahay mpianatr'i Mosesy. 29 Fantatray fa i Mosesy dia nitenenan'Andriamanitra; ilay iny kosa tsy fantatray izay ipoirany. 30 Dia niteny ralehilahy ka nanao taminy hoe: –Izany tokoa no mahagaga: tsy fantatrareo izay ipoirany, nefa nampahiratra ny masoko Izy! 31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay tia vavaka sy manao ny sitrapony no henoiny. 32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola nandrenesana fa hoe nisy nampahiratra mason'olona teraka jamba. 33 Raha toa tsy avy amin'Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy hahefa na inona na inona. 34 Namaly kosa ry zareo ka nanao taminy hoe: –Tena teraka tanatin'ny ota ianao, ka ianao indray ve no mampianatra anay? Dia noroahin'ny Farisianina hiala amin'ny sinagôga ilay jamba taloha.

Ny hajambam-po

35 Ren'i Jesoa fa voaroaka hiala amin'ny sinagôga ilay jamba taloha, ka nony hitany dia nilazany hoe: –Mino ny Zanak'olona ve ianao? 36 Fa novaliany hoe: –Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? 37 Dia hoy i Jesoa taminy: –Efa nahita Azy ianao, ary Ilay miresaka aminao izao no Izy! 38 Ka hoy ralehilahy hoe: –Mino aho, Tompoko! Sady niankohoka teo anatrehany izy. 39 Dia hoy i Jesoa: –Ho fitsarana no nahatongavako eto amin'izao tontolo izao, mba hahiratra izay tsy mahiratra ary ho tonga jamba izay mahiratra! 40 Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe: –Izahay koa ve jamba? 41 Dia hoy i Jesoa taminy: –Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny manao hoe: «Mahiratra izahay», dia tsy afaka ny helokareo.

Jôhany 10

Fanoharana momba ny mpiandry sy ny ondry

1 –Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay tsy miditra amin'ny vavahady mankao amin'ny valan'ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy; 2 fa izay miditra amin'ny vavahady no mpiandry ny ondry. 3 Ny mpiandry no vohan'ny mpiambina vavahady; ary ny ondry mihaino ny feon'ny mpiandry izay miantso ny ondriny araka ny anarany avy sy mamoaka azy. 4 Rehefa tafavoakany avokoa ny ondriny, dia lasa izy mialoha azy; ary manaraka azy ny ondriny, satria mahalala ny feony. 5 Ny vahiny kosa tsy mba harahin'ny ondry fa handosirany, satria tsy fantany ny feon'ireo vahiny. 6 Izany fanoharana izany dia nolazain'i Jesoa tamin'ireo Jiosy, kanefa tsy azon-dry zareo ny zavatra noresahiny taminy.

I Jesoa no Mpiandry tsara

7 Dia hoy indray i Jesoa: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no vavahadin'ny ondry. 8 Mpangalatra sy jiolahy avokoa izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. 9 Izaho no vavahady: raha amin'ny alalako no idiran'ny ondry, dia hovonjena izy ary ho afa-miditra sy mivoaka ny vala sady hahita tanim-bilona. 10 Ny mpangalatra dia tsy tonga raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho kosa no tonga dia ny hahavelona aina ny ondry ary hahavelona aina azy tsy misy fetra. 11 Izaho no Mpiandry tsara. Ny Mpiandry tsara no manolotra ny ainy hamonjena ny ondry. 12 Ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry sady tsy tompon'ny ondry, dia mandao ny ondry sy mandositra raha vao mahita ny amboadia tamy; ka ny amboadia no misambotra ny ondry sy mampihahaka azy. 13 Ny mpikarama no mandositra, dia satria mpikarama izy ka tsy raharahainy akory ny ondry. 14 Izaho no Mpiandry tsara: fantatro ny ondriko ary ny ondriko mahafantatra Ahy, 15 tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sady ahafantarako ny Ray; ary manolotra ny aiko Aho hamonjena ny ondry. 16 Manana ondry hafa izay tsy avy amin'ity vala ity aho; ireny koa dia tsy maintsy tarihiko, ka hihaino ny feoko ary ho tonga andiany tokana entin'ny mpiandry tokana. 17 Ny itiavan'ny Ray Ahy dia satria manolotra ny aiko Aho mba handraisako azy indray. 18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa Izaho ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra ny aiko Aho, ary manana fahefana handray azy indray: izany didy izany no azoko tamin'ny Raiko. 19 Dia nisara-tsaina indray ny Jiosy noho izany teny izany. 20 Maro tamin'ireo no nanao hoe: –Ondranondranana io sady very saina, ka inona no ihainoanareo Azy? 21 Ny sasany kosa nanao hoe: –Tsy mba tenin'olona azon-demony izany! Demony ve mahay mampahiratra ny mason'ny jamba?

Toherin'ny Jiosy i Jesoa

22 Ririnina ny andro tamin'izay ary notontosaina tao Jerosalema ny fankalazana ny Fitokanana. 23 I Jesoa dia nitsangantsangana tao an-kianjan'ny tempoly, teo amin'ny lala-mitafon'i Salômôna. 24 Koa nitangoronan'ny Jiosy Izy nanontaniany hoe: –Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay! 25 Dia hoy i Jesoa taminy: –Efa nilaza taminareo Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko dia mijoro ho vavolombelona manambara Ahy, 26 nefa ianareo tsy mino satria tsy mba isan'ny ondriko. 27 Ireo ondriko mihaino ny feoko: Izaho mahafantatra ny ondriko, ary izy manaraka Ahy. 28 Izaho no manome azy ny aina maharitra mandrakizay ka tsy ho very izy na oviana na oviana, ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. 29 Ny Raiko Izay nanolotra azy tamiko dia lehibe noho ny rehetra, ka tsy misy olona maharombaka azy eo an-tanan'ny Ray10 .29 Ny Raiko Izay nanolotra... eo an-tanan'ny Ray: misy stf sasany ahitana hoe Izay nomen'ny Raiko Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao; ary tsy misy olona maharombaka zavatra eo an-tanan'ny Ray. . 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany. 31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitorahana Azy, 32 fa hoy i Jesoa taminy: –Maro ny asa tsara nasehoko teo aminareo noho ny fahefana azoko tamin'ny Ray; ka inona amin'ireny asa ireny no itorahanareo vato Ahy? 33 Ka novalian'ny Jiosy hoe: –Tsy ny asa tsara no itorahanay vato Anao, fa ny fanevatevànao an'Andriamanitra; olombelona ihany manko Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra10 .33 Jereo Lev 24 .16 .. 34 I Jesoa kosa niteny taminy hoe: –Tsy voalaza ao amin'ny Soratra Masina ve izao: «Hoy Aho: Andriamanitra ianareo»? 35 Ary tsy azo foanana ny Soratra Masina; fa ireo olona nanambarana ny tenin'Andriamanitra dia natao hoe «Andriamanitra». 36 Izaho kosa natokan'ny Ray sy nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an'Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak'Andriamanitra Aho! 37 Raha tsy manao ny asan'ny Raiko Aho, dia aza mino ahy; 38 fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino ahy aza ianareo, dia minoa ny asako mba hahafantaranareo sy hanekenareo fa ny Ray ato anatiko, ary Izaho ao anatin'ny Ray! 39 Tamin'izay dia nitady hisambotra an'i Jesoa indray ry zareo fa niala teo Izy ka tsy voatanany. 40 Dia lasa i Jesoa nankany andafin'ny ony Jôrdàna, any amin'ilay toerana nanombohan'i Jôhany nanao batisa, ka nijanona tany. 41 Maro no nankeo aminy ka nanao hoe: –I Jôhany tsy nanao famantarana na dia iray aza; nefa izay rehetra voalazan'i Jôhany ny amin'ity Lehilahy ity, dia marina avokoa. 42 Ary maro no nino an'i Jesoa teo.

Jôhany 11

Ny nahafatesan'i Lazara

1 Nisy lehilahy anankiray narary, dia i Lazara izay nonina tao Betania, tanàna nisy an'i Maria sy i Marta rahavaviny. 2 I Maria dia ilay vehivavy nanosotra ilomanitra ny tongotry ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany; ary i Lazara anadahiny no narary. 3 Dia naniraka olona tany amin'i Jesoa izy mirahavavy hilaza hoe: –Tompo ô, marary ilay sakaizanao! 4 Rehefa nandre izany i Jesoa, dia nanao hoe: –Aretina tsy miafara amin'ny fahafatesana izay fa aretina tonga mba hisehoan'ny voninahitr'Andriamanitra ka hahazoan'ny Zanak'Andriamanitra voninahitra! 5 I Jesoa dia fatra-pitia an'i Marta sy ny rahavaviny ary i Lazara. 6 Kanefa mbola nijanona indroa andro teo amin'izany toerana izany ihany Izy, na dia nandre aza fa narary i Lazara. 7 Taorian'izany i Jesoa vao niteny tamin'ny mpianany hoe: –Ndeha isika ho any Jodea indray! 8 Fa izao no navalin'ny mpianany Azy: –Mpampianatra ô, vao haingana teo ny Jiosy no nitady hitora-bato Anao, ka hankany indray ve Ianao? 9 Dia hoy i Jesoa: –Tsy adiny 12 ve ny indray andro? Koa raha misy olona mandeha amin'ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy satria mahita ny fahazavana manilo an'izao tontolo izao; 10 fa raha misy mandeha amin'ny alina, dia ho tafintohina izy satria tsy misy fahazavana ao aminy. 11 Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao tamin'ny mpianany hoe: –Matory i Lazara sakaizantsika, fa handeha hamoha azy aho. 12 Ka hoy ny mpianany taminy: –Raha matory izy, ry Tompo, dia ho sitrana ihany! 13 Ny fahafatesan'i Lazara no voalazan'i Jesoa, kanefa nihevitra izy ireo fa torimaso no teneniny. 14 Izay i Jesoa vao nilaza mazava taminy hoe: –Maty i Lazara! 15 Ary noho ianareo, dia faly Aho tsy teo aminy, mba hinoanareo. Koa ndeha isika hankany amin'i Lazara! 16 Ary i Tômà (ilay atao hoe Ikambana) dia niteny tamin'ny mpianatra namany hoe: –Ndeha koa isika hiara-maty amin'ny Mpampianatra antsika!

Manangana ho velona i Jesoa

17 Nony tonga tany Betania i Jesoa, dia nahita fa efa nalevina efatra andro i Lazara. 18 Ity Betania ity dia akaikin'i Jerosalema tokony ho telo kilaometatra, 19 ka maro tamin'ny Jiosy no tonga tao amin-dry i Marta sy i Maria hitsapa alahelo azy mirahavavy noho ny nahafatesan'ny anadahiny. 20 Vao ren'i Marta fa tamy i Jesoa, dia lasa izy nitsena Azy; fa i Maria no nipetraka tao an-trano. 21 Ary hoy i Marta tamin'i Jesoa: –Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko. 22 Ary na dia izao ankehitriny izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin'Andriamanitra, dia homen'Andriamanitra Anao. 23 I Jesoa kosa niteny taminy hoe: –Hitsangana velona ny anadahinao! 24 Fa hoy i Marta taminy: –Fantatro fa hitsangana velona izy amin'ilay fitsanganan'ny maty amin'ny andro farany! 25 Dia hoy i Jesoa taminy: –Izaho no manangana ho velona sy manome aina. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona; 26 ary izay rehetra mivelona amiko ka mino Ahy, dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mino izany ve ianao? 27 Ka novalian'i Marta hoe: –Eny, ry Tompo, mino aho fa Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay tonga eo amin'izao tontolo izao!

Mitomany i Jesoa

28 Rehefa nilaza izany i Marta, dia lasa niantso mangingina an'i Maria rahavaviny nanao hoe: –Ao ny Mpampianatra, miantso anao! 29 Vao nandre izany kosa i Maria, dia nitsangana faingana nankany amin'i Jesoa. 30 Mbola tsy tonga tao an-tanàna Izy fa mbola teo amin'ny toerana nitsenan'i Marta Azy ihany. 31 Ary ny Jiosy izay teo amin'i Maria tao an-trano sy nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka lasa any ivelany, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin'ny fasana hitomany any izy. 32 I Maria kosa, nony tonga teo amin'izay nitoeran'i Jesoa, ka nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony sady niteny taminy hoe: –Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko! 33 Nony hitan'i Jesoa fa nitomany i Maria ary nitomany koa ireo Jiosy niaraka taminy, dia niontana ny fony ka tora-kovitra Izy 34 sady nanao hoe: –Aiza no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: –Avia Ianao hizaha, ry Tompo! 35 Nitomany i Jesoa, 36 ka hoy ny Jiosy: –Akory ity haben'ny fitiavany an'i Lazara! 37 Fa hoy kosa ny sasany tamin'izy ireo: –Efa nampahiratra ny mason'ilay jamba Izy, ka tsy hainy natao ve ny tsy hahafaty an-dralehilahy ity?

Velona aina indray i Lazara

38 Dia niontana indray ny fon'i Jesoa ka nankeo amin'ny fasana Izy. Zohy notampenana vato izany fasana izany. 39 Dia hoy i Jesoa: –Esory ny vato! Fa i Marta, ilay anabavin'ny maty, no namaly Azy hoe: –Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy. 40 Ary hoy i Jesoa taminy: –Tsy efa voalazako taminao ve fa raha mino ianao, dia hahita ny voninahitr'Andriamanitra? 41 Dia nesorin'ny olona ny vato. I Jesoa kosa nanandratra ny masony any ambony sady nanao hoe: –Ray ô, misaotra Anao Aho, satria efa nihaino Ahy Ianao. 42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka manodidina Ahy kosa no nilazako izany, mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy. 43 Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso tamin'ny feo mahery hoe: –Mivoaha tao, ry Lazara! 44 Dia niala tao ny maty, ny tongotra aman-tanana nisy fehim-paty, ary ny tava voasarona lamba. Fa hoy i Jesoa tamin'ny olona: –Vahao izy, dia avelao handeha!

Mitetika hamono an'i Jesoa ny manampahefana jiosy

45 Maro tamin'ny Jiosy izay tonga tao amin-dry i Maria ka nahita ny zavatra nataon'i Jesoa no nino Azy. 46 Ny sasany tamin'ireo kosa dia lasa nankany amin'ny Farisianina ka nilaza taminy ny zavatra nataon'i Jesoa. 47 Dia namory ny Fitsarana ambony ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ka nanao hoe: –Inona ity ataontsika, fa manao famantarana maro iny Lehilahy iny? 48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia ho avy ny Rômanina handrava ny tempolintsika sy ny firenentsika. 49 Ary ny anankiray tamin'izy ireo, dia i Kaiafa izay mpisorombe tamin'io taona io, no niteny taminy hoe: –Tsy mahalala na inona na inona ianareo! 50 Tsy heverinareo akory fa tsara ho anareo raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray, mba tsy haharava ny firenena manontolo! 51 Tsy avy aminy anefa no nitenenany an'izany, fa noho izy mpisorombe tamin'io taona io no naminaniany fa i Jesoa dia ho faty ho an'ny firenena jiosy; 52 ary tsy ho an'ny firenena jiosy ihany fa mba hanangona ho iray ny zanak'Andriamanitra efa niely. 53 Hatramin'io andro io dia tapa-kevitra ny hamono an'i Jesoa ry zareo. 54 Koa tsy nandehandeha an-karihary teo amin'ny Jiosy intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin'ny faritany akaikin'ny taniefitra, tany amin'ny tanàna atao hoe Efraîma, ary nitoetra tany niaraka tamin'ny mpianany. 55 Efa akaiky tamin'izay ny Paska fankalàzan'ny Jiosy, ka maro ny olona avy any ambanivohitra no niakatra tany Jerosalema alohan'ny Paska mba handio tena. 56 Dia nitady an'i Jesoa ny olona, ka raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly dia nifampiresaka hoe: –Ahoana no hevitrareo? Ho tonga ve Izy sa tsy ho tonga amin'ny fankalazana ny Paska? 57 Ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina kosa efa nandidy fa raha misy olona nahalala izay itoeran'i Jesoa, dia tsy maintsy mampandre mba hisamborana Azy.

Jôhany 12

Hosoran'i Maria ilomanitra ny tongotr'i Jesoa

1 Enina andro talohan'ny Paska, dia tonga tao Betania ry i Jesoa, tao amin'izay nitoeran'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. 2 Nanaovan'ny tao fanasana Izy; ary i Marta no nandroso sakafo, fa i Lazara kosa isan'izay niara-nihinana tamin'i Jesoa. 3 Tamin'izay i Maria dia naka ilomanitra sarobidy, natao tamin'ny narda, lànjana ampahatelon-kilao. Nanosotra ny tongotr'i Jesoa izy, dia namaoka ny tongony tamin'ny volon-dohany ka heraka ny fofona mamerovero avy amin'ilay ilomanitra ny trano. 4 Fa hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin'ny mpianatr'i Jesoa, ilay efa hanolotra Azy: 5 –Nahoana iny ilomanitra iny no tsy namidy denàry telonjato homena ny mahantra? 6 Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an'izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny. 7 Fa hoy i Jesoa: –Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany! 8 Ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba eto aminareo mandrakariva.

Mitetika hamono an'i Lazara ny manampahefana jiosy

9 Vahoaka maro tamin'ny Jiosy no nahalala fa tao Betania i Jesoa. Dia tonga tao ireo, tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita koa an'i Lazara, ilay natsangany ho velona avy any amin'ny maty. 10 Ny lohandoha-mpisorona kosa dia tapa-kevitra hamono an'i Lazara koa, 11 satria noho izy dia maro ny Jiosy niala tamin-dry zareo ka nino an'i Jesoa.

Miditra ao Jerosalema i Jesoa

12 Ny ampitson'iny, dia ren'ny vahoaka maro izay tonga hankalaza ny Paska fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa. 13 Dia naka sampan-drofia izy ireo, ka niainga hitsena Azy sady niantsoantso hoe: –Dera anie ho an'Andriamanitra! Hombàm-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy, ilay Mpanjakan'i Israely! 14 I Jesoa kosa nahita zana-boriky anankiray, ka nitaingina azy, araka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: 15 «Aza matahotra, ry mponina ao Tsiôna! Indro fa tonga ny Mpanjakanareo mitaingina zana-boriky!» 16 Izany zavatra izany dia tsy azon'ny mpianany tamin'ny voalohany; fa rehefa nomen'Andriamanitra voninahitra i Jesoa, vao tsaroan'ny mpianany fa voalazan'ny Soratra Masina ny amin'i Jesoa izany sady nataon'ny olona taminy. 17 Vavolombelona manambara an'i Jesoa ny vahoaka izay niaraka taminy fony Izy niantso an'i Lazara hiala tao am-pasana sy nanangana azy ho velona avy any amin'ny maty. 18 Izany koa no nitsenan'ny vahoaka azy: efa ren'izy ireo manko ny nanaovan'i Jesoa izany famantarana izany. 19 Tamin'izay ny Farisianina dia nifampilaza hoe: –Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona ianareo! Jereo fa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.

Misy Grika te hahita an'i Jesoa

20 Nisy Grika1 vitsivitsy anisan'izay niakatra tao Jerosalema hivavaka mandritra ny fankalazana. 21 Nohatonin'ireo i Filipo, izay avy any Betsaidà tanànan'i Galilea, ka nanaovany fangatahana hoe: –Mba te hahita an'i Jesoa izahay, tompoko! 22 Dia lasa i Filipo nilaza tamin'i Andrea; ary i Andrea sy i Filipo no lasa nilaza tamin'i Jesoa. 23 Dia hoy i Jesoa tamin'izy roa lahy: –Tonga ny fotoanandro hanomezam-boninahitra ny Zanak'olona. 24 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary latsaka ao amin'ny tany, dia mitoetra irery; raha maty kosa izy, dia mahavokatra be. 25 Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin'izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay. 26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy; ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko. Raha misy olona manompo Ahy, dia homen'ny Raiko voninahitra izy.

Lazain'i Jesoa ny hahafatesany

27 –Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin'izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin'izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako. 28 Ray ô, omeo voninahitra ny anaranao! Tamin'izay dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Efa nomeko voninahitra ny anarako ary mbola homeko voninahitra indray. 29 Ny vahoaka izay teo ka nahare, dia nanao hoe: –Kotro-baratra izany! Fa hoy ny sasany: –Anjely no niteny taminy! 30 I Jesoa kosa nilaza hoe: –Tsy ho Ahy no nahatongavan'izany feo izany fa ho anareo. 31 Ankehitriny no hanamelohana an'izao tontolo izao; ankehitriny no handroahana ny filohan'izao tontolo izao. 32 Ary Izaho, rehefa voasandratra avy eo amin'ny tany12 .32 Ny hoe voasandratra avy eo amin'ny tany dia fomba fiteny mifono hevitra misampana roa, araka ny hita ombieniombieny ato amin'ny Jôh (jereo 3 .3 ,8 sy nta): ity fomba fiteny ity dia sady miantefa amin'ny fanandratana an'i Jesoa eo amin'ny hazofijaliana no miantefa amin'ny fanandratana azy amin'ny voninahitra (jereo 12 .33 ; 3 .14 -15 ; 8 .28 )., dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. 33 Ny nolazain'i Jesoa tamin'izany dia ny karazam-pahafatesana efa hihatra aminy. 34 Ka hoy ny vahoaka namaly Azy: –Efa renay tamin'ny bokin'ny lalàna fa maharitra mandrakizay ny Mesia12 .34 Jereo Sal 110 .4 ; Is 9 .6 ; Dan 7 .14 .; ka ahoana no ilazanao hoe: tsy maintsy hasandratra ny Zanak'olona? Iza moa izany Zanak'olona izany? 35 Dia hoy i Jesoa taminy: –Kely foana sisa hitoeran'ny fahazavana eo aminareo. Mandehana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba tsy ho tratry ny haizina ianareo; fa izay mandeha amin'ny haizina dia tsy mahalala izay alehany. 36 Minoa ny fahazavana dieny mbola anananareo ny fahazavana, mba ho tonga olona miaina araka ny fahazavana ianareo.

Tsy mino an'i Jesoa ny ankapoben'ny Jiosy

Nony voalazan'i Jesoa izany, dia lasa Izy niery ny vahoaka jiosy. 37 Na dia betsaka aza ny famantarana nataony teo anatrehan-dry zareo, dia tsy ninoan'ireo Izy; 38 hany ka tanteraka ny tenin'i Isaià mpaminany hoe: «Tompo ô, iza no nino ny hafatra nambaranay? Ary iza no nampisehoana ny herin'ny Tompo?» 39 Ny tsy nahazoan'izy ireo nino, dia satria hoy indray i Isaià: 40 «Andriamanitra efa nanajamba ny mason'ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko hoy Andriamanitra.» 41 I Isaià no nilaza izany, dia satria nahita mialoha ny voninahitra hananan'i Jesoa izy sy niteny momba Azy. 42 Kanefa i Jesoa dia ninoan'olona maro ihany na tamin'ireo manampahefana jiosy aza; saingy noho ny Farisianina dia tsy nanaiky ho mpiandany amin'i Jesoa izy ireo, fandrao voaroaka hiala amin'ny sinagôga: 43 satria tiany kokoa ny voninahitra avy amin'ny olombelona noho ny voninahitra avy amin'Andriamanitra.

Ny tenin'i Jesoa no mitsara sy manameloka

44 I Jesoa kosa niantso mafy hoe: –Izay mino Ahy, dia tsy Izaho ihany no inoany fa Ilay naniraka Ahy; 45 ary izay mahita Ahy, dia mahita Ilay naniraka Ahy. 46 Izaho, ilay fahazavana, dia tonga amin'izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao anatin'ny haizina izay rehetra mino Ahy. 47 Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina ireny, dia tsy manameloka azy Aho; satria tsy hanameloka an'izao tontolo izao no nahatongavako, fa hamonjy an'izao tontolo izao. 48 Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay manameloka azy: ny teny izay nambarako ihany no hanameloka azy amin'ny andro farany; 49 satria tsy avy amin'ny tenako no nanaovako fanambaràna, fa ny Ray Izay naniraka Ahy no nandidy izay holazaiko sy hambarako. 50 Fantatro fa ny didin'ny Ray no mitondra fiaina-maharitra mandrakizay. Koa ireo zavatra nambarako dia nambarako araka ny voalazan'ny Ray tamiko.

Jôhany 13

Sasàn'i Jesoa ny tongotry ny mpianany

1 Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin'izay. Fantatr'i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin'izao tontolo izao ho any amin'ny Ray. Efa notiavin'i Jesoa ireo Azy teo amin'izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin'ny farany. 2 Teo am-pisakafoana hariva tamin'izay i Jesoa mbamin'ny mpianany; ary efa nomen'ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin'i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an'i Jesoa. 3 Fantatr'i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany. 4 Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany. 5 Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr'ireo mpianany sy namaoka izany tamin'ny lamba nisikinany. 6 Dia tonga teo amin'i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy: –Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro? 7 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana. 8 Fa hoy i Petera taminy: –Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao! I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko. 9 Dia hoy i Simôna Petera taminy: –Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa. 10 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra. 11 (Fantatr'i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.») 12 Rehefa voasasan'i Jesoa ny tongotr'ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin'ny mpianany: –Azonareo ve izay nataoko taminareo? 13 Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho. 14 Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra. 15 Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo. 16 Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy. 17 Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany. 18 Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin'ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.» 19 Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan'ny hahatongavan'izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.» 20 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.

Ambaran'i Jesoa fa hanolotra Azy i Jodasy

21 Avy nilaza izany i Jesoa, dia nitebiteby ny fanahiny; ary nanambara Izy nanao hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny anankiray aminareo no hanolotra Ahy! 22 Dia nifampijerijery ny mpianatra fa very hevitra ny amin'izay iray nolazainy. 23 Ary nipetraka nihinana teo anilan'i Jesoa ny anankiray tamin'ireo mpianatra, dia ilay tian'i Jesoa; 24 ka nohatsihin'i Petera io mpianatra io mba hamototra amin'i Jesoa hoe: Iza izay lazainao izay? 25 Dia nirona teo amin'ny tratran'i Jesoa ilay mpianatra ka nanontany Azy hoe: –Iza moa izany, ry Tompo? 26 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko anaty ro! Tamin'izay dia noraisin'i Jesoa ilay sombi-mofo natsobony tanaty ro, ka nomeny an'i Jodasy. 27 Vao nomena ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nidiran'i Satàna; ka hoy i Jesoa taminy: –Ataovy faingana izay tianao hatao! 28 Tamin'ireo nipetraka nihinana dia tsy nisy nahalala izay anton'ny nilazan'i Jesoa izany tamin'i Jodasy. 29 Fa noho i Jodasy nitana ny kitapom-bola, dia nataon'ny sasany fa izao no voalazan'i Jesoa taminy: vidio ny zavatra ilaintsika amin'ny fankalazana ny Paska, na mba omeo zavatra ny mahantra. 30 Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nivoaka ny trano niaraka tamin'izay; ary efa alina ny andro.

Ny didy vaovao

31 Nony efa nivoaka ny trano i Jodasy, dia hoy i Jesoa: –Ankehitriny dia efa omem-boninahitra ny Zanak'olona, ary Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy. 32 Raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo amin'ny Zanak'olona, dia Andriamanitra koa no hanome voninahitra Azy eo amin'ny tenany ary hanome voninahitra azy raha afaka kelikely. 33 Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin'ny Jiosy hoe: «Izay alehako tsy azonareo aleha», no lazaiko aminareo koa ankehitriny. 34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa. 35 Ny hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.

Ambaran'i Jesoa ny handavan'i Petera Azy

36 Hoy i Simôna Petera tamin'i Jesoa: –Ho aiza Ianao, ry Tompo? Dia novalian'i Jesoa hoe: –Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny, fa any aoriana vao hanaraka Ahy ianao! 37 Ka hoy i Petera taminy: –Ahoana, ry Tompo, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Na ny aiko aza dia hafoiko ho Anao. 38 I Jesoa kosa namaly hoe: –Ny ainao hoe hafoinao ho Ahy? Lazaiko marina dia marina aminao fa alohan'ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.

Jôhany 14

I Jesoa no lalana mankany amin'ny Ray

1 Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: –Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an'Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa. 2 Misy fonenana maro ao an-tranon'ny Raiko; raha tsy izany, dia ho nilaza taminareo ve Aho fa handeha hamboatra toerana ho anareo? 3 Ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny toerana ho anareo, dia hiverina Aho haka anareo ho eo anilako; ka izay misy Ahy no hisy anareo koa. 4 Ary fantatrareo ny lalana ho any amin'izay alehako. 5 Dia hoy i Tômà taminy: –Tsy fantatray izay alehanao, ry Tompo! Ka ahoana no hahafantaranay ny lalana? 6 Fa novalian'i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin'ny Ray raha tsy amin'ny alalako. 7 Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy. 8 I Filipo kosa nanao taminy hoe: –Asehoy anay ny Ray, ry Tompo, dia ampy ho anay izay. 9 Fa hoy i Jesoa taminy: –Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»? 10 Tsy mino ve ianao fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ary ny Ray ato anatiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy ambarako avy amin'ny tenako: fa ny Ray Izay mitoetra ao anatiko no manao ny asany. 11 Minoa Ahy fa Izaho dia ao anatin'ny Ray ary ny Ray ato anatiko; raha tsy mino ny teniko ianareo, dia minoa ahay noho ireny asa ireny. 12 Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mino Ahy dia hanao ny asa ataoko ihany koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria mankany amin'ny Ray Aho. 13 Ary na inona na inona angatahinareo noho ny anarako, dia hataoko izany, mba hahazoan'ny Ray voninahitra eo amin'ny Zanaka. 14 Raha noho ny anarako no angatahanareo zavatra amiko, dia hataoko izany.

Ampanantenain'i Jesoa ny Fanahy Masina

15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko. 16 Izaho koa hangataka amin'ny Ray, ary Izy no hanome anareo Mpampionona hafa mba homba anareo mandrakizay. 17 Izany Mpampionona hafa izany dia ny Fanahy fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao raisina, satria tsy hitany sady tsy fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo anilanareo Izy sady ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, fa hiverina atỳ aminareo. 19 Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo. 20 Amin'izany andro izany, dia ho fantatrareo fa Izaho dia ao anatin'ny Ray, ianareo ato anatiko ary Izaho ao anatinareo. 21 Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin'ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy. 22 Fa i Jodasy, (tsy ilay Iskariôta), nanao tamin'i Jesoa hoe: –Nahoana, ry Tompo, no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Dia novaliany hoe: –Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao. 24 Izay tsy tia Ahy, dia tsy mitandrina ireo teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin'ny Ray Izay naniraka Ahy. 25 Voalazako taminareo izany, raha mbola mitoetra eto aminareo Aho. 26 Fa ilay Mpananatra, dia ny Fanahy Masina Izay hirahin'ny Ray noho ny anarako, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo. 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan'izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo. 28 Efa renareo fa izao no voalazako taminareo: «Handeha Aho, nefa mbola hiverina ho atỳ aminareo.» Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly amin'izao andehanako ho any amin'ny Ray izao, satria lehibe noho Izaho ny Ray. 29 Niteny taminareo sahady Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho, satria tonga ilay filohan'izao tontolo izao: tsy manam-pahefana amiko velively izy, 31 saingy tonga izy mba hahafantaran'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian'ny Ray Ahy no ataoko. Mitsangàna, ndeha isika hiala eto!

Jôhany 15

I Jesoa no tena voaloboka

1 –Izaho no tena voaloboka; ary ny Raiko no mpamboly. 2 Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin'ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa. 3 Madio izao ianareo noho ny teny izay nolazaiko taminareo. 4 Aoka hiray amiko hatrany ianareo toy ny iraisako aminareo. Ny sampana tsy afa-mamokatra ho azy raha tsy miray amin'ny voaloboka hatrany; dia toy izany koa ianareo: tsy afa-mamokatra, raha tsy miray amiko hatrany. 5 Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Izay miray amiko hatrany, toy ny iraisako aminy, no mamokatra be; satria raha misaraka amiko ianareo, dia tsy afa-manao na inona na inona. 6 Raha misy olona tsy miray amiko hatrany, dia ariana any ivelany tahaka ny sampana izy, ka mihamaina; ary angonina ireo sampana maina ka atsipy ao anaty afo, dia may. 7 Raha miray amiko hatrany ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay zavatra tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany. 8 Ny ahazoan'ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro. 9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa; mitoera ao amin'izany fitiavako anareo izany. 10 Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin'izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin'ny Raiko sy itoerako ao amin'ny fitiavana Ahy. 11 Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo. 12 Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14 Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo: 15 tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa ataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nampahafantariko anareo. 16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin'ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo. 17 Koa izao no andidiako anareo: mifankatiava ianareo.

Ankahalain'izao tontolo izao i Jesoa mbamin'ireo mpomba Azy

18 –Raha ankahalain'izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no efa nankahalainy talohanareo. 19 Raha naman'izao tontolo izao ianareo, dia hotiavin'izao tontolo izao satria azy. Saingy Izaho efa nifidy anareo hiavaka amin'izao tontolo izao, dia ankahalain'izao tontolo izao ianareo. 20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: «Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony.» Raha nanenjika Ahy ry zareo, dia hanenjika anareo koa; raha nitandrina ny teniko izy ireo, dia hitandrina ny teninareo koa. 21 Fa izany rehetra izany dia hataony aminareo noho ny amiko, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy. 22 Raha toa tsy tonga Aho ka tsy niteny taminy, dia tsy ho nanam-pahotana ry zareo; ankehitriny kosa dia tsy manana fialan-tsiny izy ireo amin'ny fahotany. 23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko ihany koa. 24 Raha toa ireo asa izay tsy nataon'olona na iza na iza no tsy nataoko taminy, dia tsy ho nanam-pahotana izy ireo; ankehitriny kosa, efa nahita ny asa nataoko ireo sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko. 25 Tonga izany mba hahatanteraka ny teny voalazan'ny Soratra Masina hoe: «Nankahalainy tsy amin'antony Aho.» 26 Ho tonga ilay Mpampahery anareo, dia ilay Fanahy fahamarinana Izay mivoaka avy any amin'ny Ray: Izy no hirahiko ho etỳ aminareo avy any amin'ny Ray, ary Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara Ahy, satria miaraka amiko hatramin'ny voalohany ianareo!

Jôhany 16

1 Ireo zavatra ireo no voalazako taminareo, dia mba tsy hahavery finoana anareo. 2 Handroaka anareo hiala amin'ny sinagôga ry zareo; eny, ho avy ny andro hiheveran'izay rehetra mamono anareo ho manatitra mari-panajana amin'Andriamanitra. 3 Ary izany no hataony, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho. 4 Eny, ireo zavatra ireo no voalazako taminareo, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ilay andro hanaovan-dry zareo izany, fa niteny taminareo Aho.

Ny asan'ny Fanahy Masina

–Ireo zavatra ireo dia tsy noteneniko taminareo hatramin'ny voalohany, satria mbola niaraka taminareo Aho; 5 ankehitriny kosa, mankany amin'Ilay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy intsony aminareo manontany Ahy hoe: «Hankaiza Ianao?» 6 Saingy noho Izaho nilaza izany taminareo, dia vonton'alahelo ny fonareo! 7 Kanefa ny marina no lazaiko aminareo: mahasoa anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ilay Mpanolotsaina anareo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo. 8 Ary rehefa tonga ilay Mpanolotsaina anareo, dia ny fahotan'izao tontolo izao, sy ny fahamarinako, ary ny fanamelohan'Andriamanitra no hampiaikeny an'izao tontolo izao: 9 ny fahotan'izao tontolo izao, satria tsy mino Ahy izao tontolo izao; 10 ny fahamarinako, satria mankany amin'ny Ray Aho ka tsy ho hitanareo intsony; 11 ary ny fanamelohan'Andriamanitra, satria voaheloka rahateo ilay filohan'izao tontolo izao. 12 Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny. 13 Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra: satria tsy hiteny avy amin'ny tenany Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. 14 Ny Fanahy fahamarinana no hanome voninahitra Ahy, satria handray avy amin'izay ananako Izy ary hanambara izany aminareo. 15 Izay rehetra ananan'ny Raiko dia Ahy avokoa, ka izany no nilazako hoe: Handray avy amin'izay ananako ny Fanahy fahamarinana, ary hanambara izany aminareo.

Hody hafaliana ny alahelonareo

16 –Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo. 17 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpianatr'i Jesoa dia nifampiresaka hoe: –Inona izany lazainy amintsika hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo», sy ny hoe: «Mankany amin'ny Ray»? 18 Inona àry izany lazainy hoe: «Rehefa afaka kelikely»? Tsy azontsika izay lazainy. 19 Fantatr'i Jesoa fa te hanontany Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy: –Mifanontany ve ianareo ny amin'ny teniko hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo»? 20 Lazaiko marina dia marina aminareo fa hitomany sy hisaona ianareo, ary izao tontolo izao kosa hifaly; halahelo ianareo, fa hody hafaliana ny alahelonareo. 21 Ory ny vehivavy, rehefa hiteraka, satria tonga ny fotoam-panaintainany; saingy rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony izay fahoriany, noho izy faly fa hoe misy olona teraka eo amin'izao tontolo izao. 22 Ianareo koa dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho ka ho faly ny fonareo, ary tsy hisy olona hanaisotra ny hafalianareo. 23 Amin'izany andro izany, dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo noho ny anarako izany. 24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona noho ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho feno ny hafalianareo.

I Jesoa no mpandresy an'izao tontolo izao

25 –Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray. 26 Amin'izany andro izany dia hangataka noho ny anarako ianareo; ary Izaho tsy milaza hoe hangataka ho anareo amin'ny Ray, 27 satria fatra-pitia anareo Izy. Eny, fatra-pitia anareo ny Ray, satria ianareo efa tia Ahy ary efa nino fa nivoaka avy any amin'ny Ray Aho. 28 Nivoaka avy any amin'ny Ray Aho no tonga eto amin'izao tontolo izao; ary hiala eto amin'izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin'ny Ray. 29 Dia hoy ny mpianatr'i Jesoa taminy: –Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory. 30 Fantatray izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian'olona: izany no inoanay fa nivoaka avy any amin'Andriamanitra Ianao! 31 I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Mino ve ianareo ankehitriny? 32 Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin'ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray. 33 Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin'ny firaisana amiko. Eto amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!

Jôhany 17

Mivavaka ho an'ny mpianany i Jesoa

1 Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanandratra ny masony any an-danitra ka nanao hoe: –Ray ô, tonga ny fotoanandro. Omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezan'ny Zanaka voninahitra Anao. 2 Araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny olombelona rehetra, dia omeo voninahitra ny Zanakao mba hanomezany aina maharitra mandrakizay an'izay rehetra nomenao Azy. 3 Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an'i Jesoa Kristy Ilay nirahinao. 4 Efa nanome voninahitra Anao Aho tetỳ ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao hataoko. 5 Ray ô, omeo voninahitra eo anilanao kosa Aho ankehitriny; eny, omeo Ahy ilay voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao. 6 Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin'izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany. 7 Fantany ankehitriny fa avy taminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy, 8 satria ny teny izay nomenao Ahy dia efa nomeko azy ireo ary noraisiny; ka fantany marina fa nivoaka avy any aminao Aho, ary ninoany fa Ianao no naniraka Ahy. 9 Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an'izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an'ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo, 10 fa izay rehetra Ahy dia Anao ary izay rehetra Anao dia Ahy, sady efa nahazo voninahitra teo aminy Aho. 11 Tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin'izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray ô, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika. 12 Fony mbola teo aminy Aho, dia ny anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no nitahirizako azy; ary narovako ireo, ka tsy nisy very na dia iray aza, afa-tsy ilay nirona amin'ny fahaverezana, mba hahatanteraka ny Soratra Masina.. 13 Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin'izao tontolo izao Aho, mba hananan'ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain'izao tontolo izao: satria tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 15 Tsy ny hanesoranao azy amin'izao tontolo izao no ivavahako, fa ny hiarovanao azy amin'ilay Ratsy. 16 Tsy naman'izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman'izao tontolo izao Ahy. 17 Atokàny ho Anao araka ny hafatra marim-pototra ireo: ny teninao no hafatra marim-pototra. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho eo amin'izao tontolo izao no nanirahako azy ho eo amin'izao tontolo izao koa. 19 Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo. 20 Tsy ho an'ireto ihany no ivavahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny. 21 Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray ô, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. 22 Efa nomeko azy ireo ny voninahitra nomenao Ahy mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika: 23 Izaho ao anatiny, Ianao ato anatiko, hany ka ho iray tanteraka izy, dia ho fantatr'izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy sady Ianao efa tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. 24 Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin'izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan'ny nahariana izao tontolo izao. 25 Ray ô, mandala ny rariny Ianao, ka tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto efa nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. 26 Efa nampahafantariko azy ireo ny anaranao sady mbola hampahafantariko hatrany, mba ho ao amin'ireo ny fitiavana izay nitiavanao Ahy ary mba ho ao anatiny koa Aho.

Jôhany 18

Voasambotra i Jesoa

1 Rehefa voalazan'i Jesoa izany, dia lasa Izy mbamin'ny mpianany nandeha nankeny andafin'ny lohasahan-driaka atao hoe Kidrôna; ary nisy saha anankiray teo, izay nidiran'Izy sy ny mpianany. 2 Fantatr'i Jodasy, ilay efa hanolotra Azy, io toerana io satria falehan'i Jesoa mbamin'ny mpianany matetika. 3 Ka nony voarain'i Jodasy ny antoko miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nankeo amin'ilay toerana izy iray tarika nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana. 4 Tamin'izay i Jesoa dia efa nahalala izay rehetra hanjo Azy, ka lasa nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: –Iza no tadiavinareo? 5 Dia novalian'ireo hoe: –I Jesoa avy any Nazareta! Ka hoy i Jesoa taminy: –Izaho no Izy! Teo koa izany i Jodasy ilay manolotra Azy, niaraka tamin-dry zareo. 6 Vao nilazan'i Jesoa ry zareo hoe: «Izaho no Izy», dia nianòtra, ka lavo tamin'ny tany. 7 Dia nanontany azy indray i Jesoa hoe: –Iza no tadiavinareo? Dia novalian'ireo hoe: –I Jesoa avy any Nazareta! 8 Ka hoy i Jesoa: –Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto! 9 Izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazan'i Jesoa hoe: «Ray ô, tsy navelako hisy very tamin'ireo nomenao Ahy na dia iray aza.» 10 Ary nanan-tsabatra i Simôna Petera ka nanatsoaka azy; dia namely ny mpanompon'ny mpisorombe izy ary nahafaka ny sofiny havanana (I Malko no anaran'ilay mpanompo.) 11 Fa hoy i Jesoa tamin'i Petera: –Ampidiro amin'ny tranony ny sabatrao. Tsy hiaretako ve ny anjara fijaliana nomen'ny Ray Ahy?

Entina ho eo anatrehan'i Hàna mpisorombe i Jesoa

12 Tamin'izay ny antoko miaramila sy ny komandy ary ny mpiandry raharaha nirahin'ireo manampahefana jiosy dia nisambotra an'i Jesoa ka namatotra Azy. 13 Tany amin'i Hàna18 .13 Hàna: jereo Lk 3 .2 sy nta. aloha no nitondrany Azy, fa i Hanà no rafozan'i Kaiafa izay mpisorombe tamin'izany taona izany. 14 I Kaiafa kosa no ilay nanome hevitra ireo manampahefana jiosy hoe: «Tsara raha maty ho an'ny vahoaka ny lehilahy anankiray.»

Lavin'i Petera i Jesoa

15 Dia nanaraka an'i Jesoa i Simôna Petera sy mpianatra anankiray hafa. Fantatry ny mpisorombe io mpianatra io, ka niara-niditra tamin'i Jesoa tao an-tokotanin'ny mpisorombe. 16 Fa i Petera kosa nijanona tany alatrano, teo akaikin'ny vavahady. Dia niainga ilay mpianatra izay fantatry ny mpisorombe, ka niteny tamin'ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an'i Petera. 17 Fa hoy ity mpiandry vavahady tamin'i Petera: –Ianao koa ve tsy isan'ny mpianatr'iny Lehilahy iny? Dia novaliany hoe: –Tsia, tsy anisany aho! 18 Namelona afon'arina ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha ka nipetraka namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary dia mba nijanona niara-namindro taminy koa i Petera.

Fotorin'i Hàna mpisorombe i Jesoa

19 Tamin'izay i Hàna mpisorombe dia nanadina an'i Jesoa momba ny mpianany sy ny fampianarany, 20 ka novalian'i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin'izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin'ny sinagôga sy teo an-kianjan'ny tempoly izay ivorian'ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona. 21 Ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy anontaniana izay noteneniko taminy, fa ireo no mahalala izay nolazaiko. 22 Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nisy anankiray tamin'ny mpiandry raharaha teo namely tahamaina Azy sady nanao hoe: –Izany ve no famalinao ny mpisorombe? 23 Fa hoy i Jesoa namaly azy: –Raha ratsy ny teniko, lazao ny maha ratsy azy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao? 24 Tamin'izay i Jesoa dia nasain'i Hàna nentina am-patorana ho any amin'i Kaiafa mpisorombe.

Lavin'i Petera indray i Jesoa

25 I Simôna Petera kosa mbola nijanona namindro teo, ka nisy nilaza taminy hoe: –Ianao koa ve tsy isan'ny mpianatr'iny Lehilahy iny? Fa nandà izy nanao hoe: –Tsia, tsy anisany aho! 26 Dia hoy ny anankiray tamin'ireo mpanompon'ny mpisorombe, havan'ilay nokapain'i Petera ny sofiny: –Tsy efa hitako niaraka taminy tao anaty saha ve ianao? 27 Fa nandà indray i Petera; ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno.

Tsarain'i Pilato i Jesoa

28 Dia nentina niala tao amin'i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan'ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin'izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska. 29 Koa dia i Pilato no nivoaka nanatona azy teo alatrano ka nanao hoe: –Inona no iampanganareo io Lehilahy io? 30 Dia novalian'ireo hoe: –Raha toa mpanao ratsy Izy, dia tsy ho natolotray anao! 31 Ka hoy i Pilato taminy: –Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànanareo. Fa hoy ny Jiosy taminy: –Tsy manam-pahefana hahafaty olona izahay. 32 Izany dia mba hahatanteraka ny teny nolazain'i Jesoa nanambara ny karazam-pahafatesana efa hanjo Azy. 33 Tamin'izay dia niditra tao an-dapa indray i Pilato, ary niantso an'i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Ianao ve no Mpanjakan'ny Jiosy? 34 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Anao samirery izany teny izany sa nisy olon-kafa nilaza Ahy taminao? 35 I Pilato kosa niteny hoe: –Fa izaho angaha Jiosy? Ireo olona iray firenena aminao sy ireo lohandoha-mpisorona no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao? 36 Dia novalian'i Jesoa hoe: –Tsy anisan'izao tontolo izao ny Fanjakàko; fa raha an'izao tontolo izao ny Fanjakàko, dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin'ny manampahefana jiosy Aho; kanefa tsy anisan'izao etỳ izao ny Fanjakàko. 37 Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin'izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin'ny marina dia mihaino ny feoko. 38 Dia hoy i Pilato taminy: –Inona no marina?

Voaheloka ho faty i Jesoa

Avy nanontany izany i Pilato, dia nivoaka nankeo amin'ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: –Izaho dia tsy mahita izay helony, na dia iray aza! 39 Saingy fanao mahazatra anareo ny andefasako olo-meloka anankiray ho anareo, amin'ny fankalazana ny Paska; koa sitrakareo ve raha halefako ho anareo ny Mpanjakan'ny Jiosy? 40 Dia niantsoantso indray izy rehetra nanao hoe: –Tsy ilay io, fa i Barabasy! Kanefa jiolahy i Barabasy.

Jôhany 19

1 Tamin'izay dia nalain'i Pilato i Jesoa ka nasainy nokapohina. 2 Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohan'i Jesoa; ary nampitafîny lamba jaky Izy. 3 Dia nanatona Azy ny miaramila, ka namely tahamaina Azy sady niteny hoe: –Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy! 4 Dia nivoaka nankeo alatrano indray i Pilato ka nanao tamin'ny vahoaka hoe: –Indro Izy entiko eto aminareo, mba hahafantaranareo fa tsy hitako izay helony, na dia iray aza! 5 Tamin'izay dia nivoaka nankeo alatrano i Jesoa, misatroka fehiloha tsilo sy mitafy lamba jaky. Dia hoy i Pilato tamin'ny vahoaka: –Indro ny Lehilahy! 6 Nony mahita an'i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantsoantso nanao hoe: –Homboy amin'ny hazofijaliana io! Homboy amin'ny hazofijaliana io! Fa hoy i Pilato taminy: –Entonareo Izy, ka homboy amin'ny hazofijaliana; fa Izaho tsy mahita izay helony. 7 Ny Jiosy kosa namaly azy hoe: –Manana lalàna izahay, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak'Andriamanitra! 8 Rehefa nandre izany teny izany i Pilato, dia vao mainka natahotra. 9 Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao hoe tamin'i Jesoa hoe: –Avy aiza moa Ianao? Fa tsy namaly azy i Jesoa. 10 Ka hoy i Pilato taminy: –Izaho ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manana fahefana handefa Anao aho, no manana fahefana hampanombo Anao amin'ny hazofijaliana koa? 11 I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Tsy hanana fahefana amiko akory ianao, raha tsy nomen'Andriamanitra anao izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa! 12 Noho izany, dia nitady handefa Azy i Pilato, saingy nantsoantsoin'ny Jiosy hoe: –Raha alefanao ilay io, dia tsy mba sakaizan'ny amperôra rômanina ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka, dia manohitra ny amperôra rômanina. 13 Nony nandre ireo teny ireo i Pilato, dia nitondra an'i Jesoa hankeo alatrano, ka nampipetraka Azy teo amin'ny toerana avoavo, dia ilay toerana atao hoe Lampivato, na hoe Gabatà amin'ny teny hebreo. 14 Andro fiomanana amin'ny Paska tamin'izay, tokony ho tamin'ny mitataovovonana19 .14 Ny tolakandron'io andro io (manomboka hatramin'ny mitataovovonana) no namonoana tao an-tempoly ireo ondry nanaovana ny sakafo Paska.. Ary hoy i Pilato tamin'ny Jiosy: –Indro ny Mpanjakanareo! 15 Fa niantsoantso ireo nanao hoe: –Vonoy, vonoy, homboy amin'ny hazofijaliana io! Dia hoy i Pilato taminy: –Dia hohomboako amin'ny hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo? Ka novalian'ny lohandoha-mpisorona hoe: –Tsy manana mpanjaka afa-tsy ny amperôra rômanina izahay. 16 Tamin'izay dia natolotr'i Pilato azy ireo i Jesoa mba hohomboana amin'ny hazofijaliana.

Homboana amin'ny hazofijaliana i Jesoa

Dia noraisin'ny Jiosy i Jesoa. 17 Ary ny tenan'i Jesoa no nitondra ny hazofijaliany, ka niainga ho any amin'ny toerana atao hoe Ikarandoha, na hoe Gôlgôtà amin'ny teny hebreo. 18 Teo no nanombohan'ny miaramila Azy tamin'ny hazofijaliana; ary nisy roa lahy hafa koa niaraka taminy, dia nohomboana tamina hazofijaliana teo an-daniny roa, fa i Jesoa teo afovoany. 19 Nampanao soratra kosa i Pilato, ary nasainy napetaka teo an-dohan'ny hazofijalian'i Jesoa; ka izao no voasoratra: «I Jesoa avy any Nazareta, ilay Mpanjakan'ny Jiosy.» 20 Izany soratra izany dia novakîn'ny Jiosy maro, fa akaikin'ny tanàna ilay toerana nanomboana an'i Jesoa tamin'ny hazofijaliana; sady natao tamin'ny teny hebreo sy latinina ary grika izany soratra izany. 21 Ka hoy ny lohandoha-mpisorona jiosy tamin'i Pilato: –Aza soratana hoe «ilay Mpanjakan'ny Jiosy», fa izao: «ilay io no nilaza hoe: Mpanjakan'ny Jiosy Aho.» 22 Fa novalian'i Pilato hoe: –Izay voasoratro dia voasoratro! 23 Rehefa voahombon'ny miaramila tamin'ny hazofijaliana i Jesoa, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra: samy nanana ny anjarany avy ny miaramila. Ary nalainy koa ny akanjony rebareba, saingy tsy nisy vitrana ilay akanjony fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany; 24 dia nifampiresaka ireo hoe: –Aza triarina fa aoka hilokantsika, dia ho lasan'izay hahazo ny loka. Izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Nifampizaran'ireo ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko.» Dia izany no nataon'ny miaramila.

Indro ny reninao

25 Nijoro teo akaikin'ny hazofijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Klôpà, ary i Maria Magdalena. 26 Nony hitan'i Jesoa ny reniny ary teo anilan'io reniny io ilay mpianatra tiany, dia hoy Izy tamin-dreniny: –Ravehivavy, indro ny zanakao! 27 Avy eo dia hoy Izy tamin'ilay mpianatra: –Indro ny reninao! Ary nanomboka hatramin'io fotoana io i Maria dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy.

Miala aina i Jesoa

28 Taorian'izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa vita ny zavatra rehetra; ka mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy: –Mangetaheta Aho. 29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra teo; ka spaonjy novontosana vinaingitra sy notohizana tamina zaran-defona no natohoky ny miaramila teo am-bavan'i Jesoa. 30 Rehefa nanandrana ny vinaingitra Izy dia nanao hoe: –Vita ny zavatra rehetra! Dia nanondri-doha Izy ka nanolotra ny fanahiny.

Lefonin'ny miaramila ny fon'i Jesoa

31 Ary satria fiomanana tamin'izay, dia nangatahin'ny manampahefana jiosy tamin'i Pilato ny hanapahana ny ranjon'ireo voahombo sy hanesorana ny fatiny mba tsy hisy tavela eo amin'ny hazofijaliana ny andro sabata, satria andro lehibe izany sabata izany. 32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray hafa izay nohomboana tamin'ny hazofijaliana niaraka tamin'i Jesoa. 33 Nony nankeo amin'i Jesoa ny miaramila, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony; 34 fa nisy miaramila anankiray nandefona ny fon'i Jesoa, ary niaraka tamin'izay dia nisy ra sy rano nivoaka. 35 Ilay nahita no vavolombelona manambara ary azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona, sady fantany fa milaza ny marina izy mba hinoanareo koa. 36 Eny, tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Tsy hisy hotapahina ny taolany.» 37 Ary hoy indray koa ny Soratra Masina hoe: «Hijery ilay nolefonina izy ireo .»

Alevina i Jesoa

38 Taorian'izany, dia nangataka tamin'i Pilato i Jôsefa avy any Harimatia, mba hahazo manaisotra ny vatan'i Jesoa. Mpianatr'i Jesoa i Jôsefa, saingy an-tsokosoko noho izy natahotra ireo manampahefana jiosy. Neken'i Pilato ny fangatahany, ka dia lasa izy nanaisotra ny vatan'i Jesoa. 39 Tonga koa i Nikôdema (ilay nanatona an'i Jesoa andro alina teo aloha) nitondra ny miora sy aloesy nampifangaroina, tokony ho telopolo kilao. 40 Noraisin'izy roa lahy ny vatan'i Jesoa, ka nofonosina lamba nasiana zava-manitra, araka ny fanaon'ny Jiosy raha mamboatra faty halevina. 41 Nisy saha anankiray kosa teo amin'ilay toerana nanomboana an'i Jesoa; ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona mihitsy tao anatin'ilay saha. 42 Koa satria andro fiomanana ho an'ny Jiosy tamin'izay sady akaiky eo ny fasana, dia tao no nandevenan'izy roa lahy an'i Jesoa.

Jôhany 20

Tafatsangana velona i Jesoa

1 Ny andro alahady, dia nandeha maraina be mbola maizimaizina i Maria Magdalena hankany amin'ny fasana, ka nahita ny vato efa voaesotra lavitry ny fasana. 2 Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin'i Simôna Petera sy ilay mpianatra tian'i Jesoa, ka nanao tamin'ireo hoe: –Nalain'olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy. 3 Dia niainga i Petera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin'ny fasana. 4 Niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nihazakazaka faingana kokoa noho i Petera ilay mpianatra anankiray, ka tonga taloha teo amin'ny fasana. 5 Dia niondrika nitsirika izy, ka nahita ny lambam-paty nipetraka teo, nefa tsy niditra. 6 Tonga koa i Simôna Petera nanaraka azy, dia niditra tao am-pasana, ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo 7 sy ny lambakely nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin'ny lambam-paty fa voavalona mitokana terỳ. 8 Tamin'izay dia niditra koa ilay mpianatra tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. 9 Tsy mbola fantatr'ireo mpianatra manko ny Soratra Masina manambara fa i Jesoa dia tsy maintsy hitsangana velona avy any amin'ny maty. 10 Dia lasa izy roa lahy nody tany aminy.

Fisehoan'i Jesoa amin'i Maria Magdalena

11 I Maria kosa nijanona nitomany teo ivelan'ny fasana. Ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika tao am-pasana, 12 ka nahita anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka teo amin'izay nandrian'ny vatan'i Jesoa: ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra. 13 Dia hoy ireo anjely tamin'i Maria: –Nahoana ianao no mitomany? Ka novaliany hoe: –Nalain'olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy. 14 Dia nitodika i Maria nony avy nilaza izany, ka nahita an'i Jesoa nijoro teo, saingy tsy fantany hoe i Jesoa io. 15 Dia hoy Jesoa taminy: –Nahoana ianao, ramatoa, no mitomany? Iza no tadiavinao? Noheverin'i Maria ho mpiandry saha io, ka nataony hoe: –Raha Ianao re, Tompoko, no naka Azy, mba lazao amiko izay nametrahanao Azy, hangalako Azy! 16 Fa hoy i Jesoa taminy: –Ry Maria! Dia nitodika ravehivavy ka niteny aramianina taminy hoe: –Rabonỳ (izany hoe Mpampianatra)! 17 Hoy kosa i Jesoa taminy: –Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin'ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin'ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo. 18 Dia lasa i Maria Magdalena ka nanambara tamin'ny mpianatra hoe: –Efa nahita ny Tompo aho! Ary nambarany koa ireo hafatra nambaran'i Jesoa taminy.

Fisehoan'i Jesoa amin'ireo mpianatra

19 Ny harivan'io alahady io ihany, dia vory tao amin'ny trano iray ny mpianatra; ary noho izy ireo natahotra ny manampahefana jiosy, dia voahidy avokoa ny varavarana. Kanefa tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao taminy hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana! 20 Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny fony, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. 21 Dia hoy indray i Jesoa taminy: Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo koa. 22 Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka taminy ary nanao hoe: –Raiso ny Fanahy Masina. 23 Na iza na iza avelanareo heloka, dia voavela; ary na iza na iza tsy avelanareo heloka, dia tsy voavela.

Fisehoan'i Jesoa tamin'i Tômà

24 Fa i Tômà, ilay atao hoe Ikambana, anankiray tamin'ny 12 lahy, dia tsy mba tafaraka tamin'ireo mpianatra fony tonga i Jesoa. 25 Ka hoy ny mpianatra sasany tamin'i Tômà: –Efa nahita ny Tompo izahay! Fa hoy i Tômà taminy: –Raha tsy hitako eo amin'ny tanany roa ny loaky ny fantsika, ka atsofoko eo amin'ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atsofoko eo amin'ny fony ny tanako, dia tsy mba hino aho. 26 Nony afaka herinandro, dia vory tao an-trano indray ny mpianatr'i Jesoa; ary tafaraka tamin'ireo koa i Tômà. Voahidy avokoa ny varavarana, kanefa dia tonga i Jesoa nijoro teo afovoan'ny mpianatra ary nanao hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana! 27 Avy eo dia hoy Izy tamin'i Tômà: –Arosoy eto ny rantsan-tananao ka jereo ny tanako roa; arosoy koa ny tananao ka atsofoy eto amin'ny foko; ary aza malain-kino, fa minoa! 28 Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: –Tompoko sy Andriamanitro! 29 Fa hoy i Jesoa taminy: –Noho ianao nahita Ahy, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

Ny kendren'ity boky ity

30 Maro koa ny famantarana hafa nataon'i Jesoa teo imason'ny mpianany no tsy voasoratra amin'ity boky ity. 31 Fa voasoratra ireo famantarana ireo mba hinoanareo fa i Jesoa no ilay Mesia, ilay Zanak'Andriamanitra, ary mba hahavelona aina anareo amin'ny alalany, raha mino Azy ianareo.

Jôhany 21

Fisehoan'i Jesoa amin'ny mpianatra folo lahy

1 Tamin'izany, dia niseho tamin'ny mpianany indray i Jesoa teo amoron'ny farihin'i Tiberiada, ary toy izao no nisehoany. 2 Tafaraka i Simôna Petera, sy i Tômà ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kanà any Galilea, mbamin'ireo zanakalahin'i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa. 3 Fa hoy i Simôna Petera tamin'izy enin-dahy: –Ndeha hanarato aho! Ka hoy ireo taminy: –Ndeha hiaraka aminao koa izahay. Dia niainga izy rehetra ka niditra tao an-tsambokely, saingy tamin'iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory. 4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nijoro teo amorom-parihy i Jesoa, kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. 5 Dia hoy i Jesoa taminy: –Manan-javatra hohanina ve ianareo, rey anaka? Ka novalian'ireo hoe: –Tsia! 6 Ary hoy Izy taminy: –Alatsaho ao ankavanan'ny sambokely ny haratonareo, fa hahazo ianareo. Dia nalatsak'izy fito lahy ny harato, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan'ny trondro. 7 Ary hoy ilay mpianatra tian'i Jesoa tamin'i Petera: –Ny Tompo io! Vao ren'i Simôna Petera fa hoy ny Tompo io, dia niakanjoany ny akanjo ivelany fa efa nesoriny, ka lasa izy nirotsaka tao anaty rano. 8 Fa ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno trondro; tsy lavitra ny tany manko izy ireo, fa tokony ho zato metatra eo ho eo. 9 Rehefa tafakatra teo an-tanety izy fito lahy, dia nahita afon'arina teo sy trondro teo amboniny ary mofo. 10 Ka hoy i Jesoa taminy: –Itondray trondro amin'ireo vao azonareo teo. 11 Dia niakatra tao an-tsambokely i Simôna Petera, ka nisarika ho eo an-tanety ny harato feno trondro vaventy 153 ; kanefa na dia betsaka tahaka izany aza ny trondro, dia tsy triatra ny harato. 12 Ary hoy i Jesoa tamin'izy fito lahy: –Avia hisakafo! Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe: «Iza moa Ianao?», satria fantany ihany fa ny Tompo io. 13 Ary nanatona i Jesoa dia nandray ny mofo ka natolony azy ireo; ary nataony toy izany koa ny trondro. 14 Izany no fisehoan'i Jesoa fanintelony21 .14 fanintelony: jereo 20 .19 , 26 . tamin'ny mpianany, fony Izy tafatsangana velona avy any amin'ny maty.

Anankinan'i Jesoa andraikitra i Petera

15 Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin'i Simôna Petera: –Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan'ireto Ahy ve ianao? Ka novaliany hoe: –Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo zanakondriko. 16 Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanindroany: –Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Ka novaliany hoe: –Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Aoka ianao ho mpiandry ireo ondriko. 17 Ary hoy indray i Jesoa tamin'i Petera fanintelony: –Ry Simôna zanakalahin'i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon'i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy: –Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo ondriko. 18 Lazaiko marina dia marina aminao fa fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena sy nandeha tamin'izay tianao haleha; fa rehefa antitra kosa ianao, dia hatsotranao ny tananao, ka olon-kafa no hanikina anao sy hitondra anao amin'izay tsy tianao haleha. 19 (Izany voalazan'i Jesoa izany, dia manambara ny karazam-pahafatesana hanomezan'i Petera voninahitra an'Andriamanitra). Avy nilaza izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko!

Ny amin'ilay mpianatra tian'i Jesoa

20 Dia nitodika i Petera ka hitany manaraka azy ireo ilay mpianatra tian'i Jesoa, ilay mpianatra izay nirona teo amin'ny tratran'i Jesoa tamin'ny fisakafoana ka nanontany Azy hoe: «Tompo ô, iza moa ilay efa hanolotra Anao?» 21 Rehefa nahita an'ilay mpianatra i Petera, dia niteny tamin'i Jesoa hoe: –Ary izy io, ry Tompo, mba inona no ho anjarany? 22 Dia hoy i Jesoa tamin'i Petera: –Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko! 23 Noho izany teny izany, dia niely tamin'ireo havana mpino fa hoe tsy ho faty io mpianatra io; kanefa i Jesoa tsy niteny tamin'i Petera hoe: «Tsy ho faty izy», fa hoe «Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany?» 24 Io mpianatra io no vavolombelona manambara izany zavatra izany sy nanoratra azy; ary fantatray fa azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona.

Famaranana

25 Misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesoa; ka raha izany no voasoratra tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza dia tsy ho omby ny boky voasoratra.